Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Anaram-bolana tanokan'ny Fahababoana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fety jiosy
Andalana faha-19:
 
==== Ny anaram-bolana talohan'ny Fahababoana ====
Ny ao amin'ny Baiboly dia voalaza fa vyny taona iray misy 12 volana (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin'ny Genesisy dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain'ny Hebreo talohan'ny fahababoana fa tsy mitovy amin'ny ampiasaina amin'izao. Amin'ny ankapobeny dia ny laharan'ny volana ao amin'ny taona no natao anaran'ny volana. Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly - dia ireo nogasina hoe ''Abiba'' (hebreo: אביב /Aviv), ''Ziva'' (hebreo: /Ziv), ''Etanima'' (hebreo: אֵתָנִים/Ethanim) ary ''Bola'' (hebreo: /Bul). Ny Abiba dia nolana voalohany - ny Ziva no faharoa - ny Etanima no fahafito - ny Bola no fahavalo. Heverina ho avy amin'ny anaram-bolana kananita izy ireo.
Ny volalan ''Aviv'' (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] sy ny [[Bokin'ny Deoteronomia]] (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volana ''Ziv'' (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin'ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]] (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volana ''Ethanim'' (midika ara-bakiteny hoe "mahery" - endrika milaza maro) dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volana ''Bul'' dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).
 
Andalana faha-50:
# Adar
Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampiana Adar I ('אֲדָר ב) izay apetraka ao aorian'ny Shevat ny Adar II (אדר א). Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355.
 
== Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo ==
maromaro ireo andro ankalazain'ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin'y Tanakh fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:
* Ny ''Rosh ha-Shana'' (hebreo: ''רֹאשׁ הַשָּׁנָה'' "fiantombohan'ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /''Yom Teruah'' "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan'ny fivavahana; ankalazaina amin'ny 1 sy 2 Tishri (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1 Nisan);
* Ny ''Yom Kippur'' (hebreo: ''יוֹם כִּיפּוּר''‬ na ''יום הכיפורים'' / ''Yom ha-Kippourim'' "andron'ny famelan-keloka") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin'ny 10 Tishri;
* Ny ''Sukkot'' (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / ''Hag ha-Sukkot'' "fetin'ny trano lay" na "fetin'ny tabernakely"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian'Andriamanitra ny Zanak'i Isiraely tamin'ny nivoahany avy any Ejipta sy iravoravoana amin'ny fahataperan'ny tsingerin'ny fotoam-pambolena amin'ny taona; ankalazaina manomboka amin'y 15 hatramin'ny 21 (na 22) Tishri;
* Ny ''Shemini Atseret'' (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" na ''יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת'' / ''Yom ha-Shemini Atseret'' "fetim-pamaranana amin'ny faha-valo andro"); anombohan'ny fotoana irotsahan'ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin'ny 22 Tishri;
* Ny ''Simkhat Torah'' (hebreo: שמחת תורה '''/''' "hafalian'ny Lalàna"); ankalazana ny [[Torah]] ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin'ny 22 sy 23 Tishri;
* Ny ''Khanukka'' (hebreo: חג החנוכה / ''Hag ha-Khanukka'' "fetin'ny fanorenana") ; ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin'ny Tempoly faharoa ao Jerosalema - tamin'ny fiverenana amin'ny fanompoam-pivavahana jiosy - telo taona taorian'ny nandraran'i Antiokosy IV (Seleokida).
* manomboka amin'ny 25 Kislev hatramin'ny 2 Tevet;
* Ny ''Tu bi-Shevat'' (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin'ny folo andron'ny Shevat"); taom-baovaon'ny hazo; ankalazaina amin'ny 15 Shevat;
* Ny ''Purim'' (hebreo: פּוּרִים / ''He-Purim''); ahatsiarivana ny nanavotan'i [[Estera]] ny Jiosy tamin'ny fanenjehan'i Hamana; ankalazaina amin'ny 14 (sy 15) Adar;
* Ny ''Pesakh'' (hebreo: פֶּסַח) io no [[Paska jiosy]]; ahatsiarovana ny nandalovan'ny fahafatesana eny ambonin'ny tranon'ireo Jiosy ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan'ny razany avy tamin'ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin'ny 15 hatramin'ny 22 Nisan;
* Ny ''Yom ha-Shoah'' (hebreo: יום השואה "andron'ny Shoa"); ahatsiarovana ny fandripahana Jiosy nataon'ny fitondrana Nazi; ankalazaina amin'ny 28 Nisan;
* Ny ''Yom haTsikaron'' (hebreo: יוֹם הַזִּכָּרוֹן‬ "andro fahatsiarovana"); ahatsiarovana ireo miaramila Israeliana matin'ny ady sy ny asa fampihorohoroana; ankalazaina amin'ny 4 Iyyar;
* Nhy ''Yom haAtzma’ut'' (hebtreo: יום העצמאות "andron'ny fahaleovan-tena"); ahatsiarovana ny fiforonan'ny Fanjakana Israeliana; ankalazaina amin'ny 5 Iyyar;
* Ny ''Lag baOmer'' (hebreo: לַ״ג בָּעוֹמֶר‎‎ "telo amby telopolo andro ao amin'ny omera") ankalazaina amin'ny 18 Iyyar;
* Ny ''Yom Yerushalayim'' (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 Iyyar;
* Ny ''Shavuot'' (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 Sivan.