Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Ny anaran'ny andro hebreo
Andalana faha-2:
 
== Ny fizaràm-potoana ao amin'ny tetiandro hebreo ==
Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro. Ny herinandro dia manomboka amin'ny Sabata (Asabotsy) ary mifarana amin'ny Zoma. Ny iray volana (hebreo: חודש / ''hodesh'') dia manomboka amin'ny andro ahatsinanan'ny volana. Ny taona iray dia misy 12 volana nefa idraidray diaindraidray mety hisy 13 volana.
 
=== Ny anaran'ny andro ===
Fito ny andro ao anatin'ny iray [[herinandro]] amin'ny tetiandro hebreo. Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ao amin'ny andro eo alohany fa tsy amin'ny misasak'alina. Tsy manana ny anarany manokana ny andro tsirairay fa antsoina amin'ny laharany ka ny mifanandrify amin'ny Alahady no andro voalohany ary ny mifanandrify amin'ny Asabotsy no andro fahafito. Ireto avy izy ireo:
# Yom Rishon / יום ראשון‬ izay midika hoe "andro voalohany" (Alahady)
# Yom Sheni / יום שני‬ izay midika hoe "andro faharoa" (Alatsinainy)
# Yom Shlishi / יום שלישי‬ izay midika hoe "andro fahatelo" (Talata)
# Yom Reviʻi / יום רביעי‬ izay midika hoe "andro fahefatra" (Alarobia)
# Yom Chamishi / יום חמישי‬ izay midika hoe "andro fahadimy" (Alakamisy)
# Yom Shishi / יום ששי‬ izay midika hoe "andro fahenina" (Zoma)
# Yom Shabbat / יום שבת‬ izay midika hoe "andro fitsaharana" (Asabotsy).
Ny Yom Shabbat (יום שבת‬ ) dia azo hafohezina hoe Shabbat (שבת) fotsiny na halavaina hoe Yom Shabbat Kodesh (יום שבת קודש‬) izay midika hoe "andro fitsagarana masina".
 
=== Ny anaram-bolana ===