Jordana (ony): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-12:
Renirano madinika efatra avy ao amin’ny tendrombohitr’i Hermona (hebreo : הר חרמון, ''Har Hermon'') no mamorona an’i Jordana. Ny sampan’i Baniasy sy i Hasbany (na Hâsbeiyâ) no lehibe indrindra amin’izy ireo. Miditra ao Israely i Jordana ka mamakivaky ny farihin-konahona avy ao amin’i Holea (2 m ny hahavony miohatra amin’ny ranomasina) vokatry ny fisiana tohadrano vato voa-janahary ; avy eo dia miditra amina lalan-tery mankany amin’ny farihin’i Tiberiada (na Tiberiasy) (hebreo : ים כנרת / ''Kinneret'') izay any amin’ny 17 km any ambany. Ny farihin’i Tiberiada dia fantatra amin’ny anarana hoe ranomasin’i Galilia (na Galilea) na ranomasin’i Genesareta (grika: ''λίμνη Γεννησαρέτ'' / ''limnē Gennēsaret''). Ny farihin’i Tiberiada izay eo amin’ny 208 m ambanin’ny ranomasina dia efa mahazo masirasira kely. Eo anelanelan’ny 42 sy 48 m ny halaliny.
 
Any ambanin’ny farihy i Jordana dia mahazo rano avy amin’i Iarmoka (hebreo : נהר הירמוך‎ / ''Nahar HaYarmukh'' "reniranon’i Yarmukh") izay mitovitovy habetsaka aminy sady manasaraka an’i Siria amin’i Jordania. Mitondra ny rano miangona avy amin’ny ilany andrefan’ny jebela Droza (Druze) i Iarmoka. Mirefy 320 km i Jordana avy eo amin’ny farihy Tiberiasy hatrany amin’i Ranomasina Maty (יָם הַמֶּלַח‬ / ''Yam ha-Melah'' "ranomasin-tsira") noho ny fiolakolahany eo ambony lemak’i Zora (Zor) sy ao amin’i Gora (Ghor), nefa raha atao lala-mahitsy izany dia 109 km fotsiny. Misy harambato roa mizara ny lohasaha ho roa : ny lempon’i Baisana (Baisan) ao avaratra sy ny lempon’i Jeriko (Jericho) ao atsimo. Mahazo rano ao an-kaviany avy amin’ny oeda izay mivarina avy amin’ny kitohatoha-baton’i Transjordania sady misintona rano avy amin’ny tangorontendrombohotr’itangorontendrombohitr’i Ajlona (Ajloun) izy avy eo mivarina any amin’i Ranomasina Maty izay 392 m ambanin’ny ranomasina.
 
=== Lanjany ara-pivavahana ===
Manan-danja eo amin’ny Jiosy sy ny Kristiana ny onin’i Jordana satria voalaza matetika ao amin’ny Baiboly i Jordana.
[[Sary:Dore joshua crossing.jpg|vignette|260x260px|''Miampita ny ony Jordana ny Zanak'i Israely,'' nataon'i Gustave Doré]]
Toerana manana ny lanjany izy ho an’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly. Izy no manasaraka ny Tany Nampanantenaina an’ireo Hebreo notarihin’i Mosesy<ref><small>Nom 34.1-12</small></ref>. Nefa i Mosesy tenany dia tsy niampita akory an’i Jordana satria maty teo amin’ny tendrombohitra Nebo rehefa avy namindra ny fitantanana tamin’i [[Josoa]] (na Josoe) amin’ny fotondranafitondrana ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]] ho ao Kanana<ref><small>Nom. 31 sy 34</small></ref>.
 
Teo anelanelan’ny nahazoan’i Pompea an’i Jodia sy ny nandravana ireo Fanjakana jiosy tamin’ny taona 70, dia nisy tahotra sy fanantenana ny amin’ny [[andro farany]] ([[eskatolojia]]) izay nahazo ny Jiosy sasany nihevitra fa antomotra ny fahatongavan’ny [[Mesia]] na ny fiafaran’izaotontolo izao. Tamin’ireo antokom-pinoana niforona tamin’izany (ny [[Sadoseo]] (na Sadoseanina), ny Zelota, ny [[Fariseo]] (na Farizianina) sns.) dia ny [[Eseniana]] no nonina teo akaikin’i Jordana ka mety nisy akony tamin’i Joany izay nitory teny sy nanao batisa teo amoron’ilay ony izany<ref><small>Lio 3.1-20 sy Henry-Daniel-Rhops, ''L'Histoire de l'Église du Christ'', Tome 1; ''Jésus en son Temps'', Éditions les Amis de l'Histoire, Montréal, 1962</small></ref>.
Andalana faha-26:
Tsy nisy ny fitrandrahana ny ony Jordana nandritra ny fotoana ela ; taty aoriana i Jordana dia niadian’i [[Isiraely|Israely]] sy ireo firenena manodinina manara-maso ireo loharano sy renirano madinika mamatsy azy. Nanao paikam-panajariana voalohany i Hays sy i Lowdermik tamin’ny 1930; tsy neken’ireo firenena arabo kosa ny paikam-pizaràna Johnston teo anelanelan’ny 1950 sy 1955. Nanjary sisin-tany teo amin’i Israely sy i [[Jordania]] izy nanomboka tamin’ny 1948.
 
Nanomboka tamin’ny 1966 dia nanao rafi-pitarihan-drano manokana avy amin’i Jordana i Israely: ampakarina hatrany amin’ny 256 m ny rano sintominy avy ao amin’ny farihin’i Tiberiasy avy eo entin’ny lakandrano sy fantsona mankany atsimo ; izany no manondraka ny lemaka amorontsiraka, indrindraindrindra ny tapany avaratra a min’nyamin’ny tany efitr’i Negeva (Neguev) manodidina an’i Berseba (Beersheba).
 
Nanamboatra tohodrano teo amin’i Iarmoka eo ambonimbonin’ny fihaonany amin’i Jordana kosa i Jordania ka afaka nanondraka an’i Gora Atsinana (Ghor) amin’ny alalan’ny lakandranom-pamiliana miala 6 na 7 km eo atsinanan’i Jordana. Taorian’ny adin’ny Enina Andro (1967) dia nahatonga an’i Israely ho afaka nanara-maso ampahany amin’ny lembalemban’i Jordana sy ireo loharanony ny fibodoany an’i Sisjordania mbamin’ny lembalemban’i Golana (hebreo : רמת הגולן, ''Ramat HaGolan'') (izay lasa niankina taminy tamin’ny 1981), sady nahafahany niaro ny fakana rano ao ary nampitomboany ireo tahirim-pamatsian-dranony.
 
Tamin’ny 1993 nanaovananaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’i Israely sy ny Antokom-Panafahana n’ian’i Palestina dia niantoka ny 1/3 n’ny famatsian-dranon’ny Fanjakana Hebreo (0.,7 km3km<sup>3</sup> isan-taona amin’ny rano 2 km3km<sup>3</sup>) i Jordana: lasa anton’ady ilay ony, dia ny raharahan’ny rano tao Atsinanana Afovoany izany, dia ady tsy voalamina raha tsy amin’ny alalan’ny fandriampahalemana maharitra. Nanomboka tamin’ny 1995 nanaovan’i Israely sy i Jordania sonia dia lasa sisin-tany mampidi-doza ambena-miaramila sy feno vanja milevina i Jordana. Ireo fitarihan-drano nataon’i Israely sy i Jordania ireo dia mampihena ny rano tokony hivarina ao amin’ny Ranomasina Maty izay lasa mitombo sira harany hatrany.
 
=== Daty sasantsasany manan-tantara ===
Tamin’ny taona 1513 tal. J.K. i [[Mosesy]] nitondra ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] ho any amin’ny Tany Nampanantenaina na ny tany Kanana. Maty teo akaikin’i Jordana izy tamin’ny taona 1473 tal. J.K. sady tsy nanitsaka an’i Kanana. I Josoa nanorina vato 12 teo afovoan’i Jordana, teo amin’izay nitsanganan’ny mpisorona 12 izay nitondra ny Fiaran’ny Fanekena ((Jos. 4.9)). Tamin’ny taona 29 taor. J.K. i Joany dia nanao batisa an’i Jesosy teo amin’ny toera-marivon’i Beta-Abara (Beth Abara). Teo anelanelan’ny taona 29 sy 33 dia nanatanteraka ny toriteniny tsy lavitra ny moron’ny farihin’i ToberiadaTiberiada (na Tiberiasy) i Jesosy ka teo izy no nandehendeha tambony rano, araka ny voasoratra ao amin’ireo [[Filazantsara|Evanjely]].
 
Tamin’ny taona 1947, hatramin’ny nizaràn’ny [[Firenena Mikambana]] an’i [[Palestina]], ny ony Jordana dia lasa niteraka olana politika. Taorian’ny ady tanelanelan’ny taona 1947 sy 1949 dia ny Fanjakana hebreo no afaka nampiasa ireo loharanony. Tamin’ny taona 1967, ny adin’ny Enina Andro dia nahatonga an’i Israely ho afaka naka ny tapany anambany amin’i Jordana izay fampitsaharana ny poa-basy sady nahazoany an’i Golàna ka nahazoany nanidy ny tapany atsinanana tamin’ilay ony. Tamin’ny taona 1961, ny Knesset, parlemanta israeliana, dia naka ny lembalemba siriana tamin’ny alalan’ny fanakambanana an’i Golàna tamin’i Israely.