Paska jiosy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fety jiosy voalaza ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Figures The Israelites Eat the Passover.jpg|vignette|''Mihinana ny paska ny Israelita,'' nataon'i Gérard Hoet sy ny namany'','' taona 1728.]]
Ny '''Paska''' '''jiosy''' na '''Paka jody''' izay atao hoe '''''Pesa'h''''' amin'ny teny hebreo dia fety lehibe amin'ny Jiosy izay ankalazana sy ahatsiarovana ny fialan'ny [[Zanak'i Israely|Zanak'i Isiraely]] avy tao [[Ejipta]] sy ny niampitan'izy ireo ny [[Ranomasina Mena]] teo ambany fitarihan'i [[Mosesy]]; izany dia voatantara ao amin'ny [[Bokin'ny Eksodosy]] ao amin'ny [[Baiboly]]. Ankalazaina isan-taona anatin'ny fito na valo andro manomboka amin'ny faha-14n'ny [[Volana hebreo|volana]] Nisana amin'ny filentehan'ny masoandro ny Paska jiosy na Pesa'h. Tsy afangaro ny Pesa'h sy ny [[Paska]] kristiana.
 
Ligne 7 ⟶ 8 :
 
=== Ny Pasaka jiosy araka ny Testamenta Taloha ===
[[Sary:David Roberts-IsraelitesLeavingEgypt 1828.jpg|vignette|305x305px|''Miainga avy ao Ejipta ny Israelita,'' nataon'i David Roberts, taona 1828.]]
Fitambarana fankalazana roa samy voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha ny paska jiosy.
 
Ligne 16 ⟶ 18 :
 
=== Ny Paska jiosy araka ny Testamenta Vaovao ===
[[Sary:Última Cena - Juan de Juanes.jpg|vignette|326x326px|''Ilay Sakafo hariva farany,'' nataon'i Juan de Juanes, taona 1562.]]
Ny [[Filazantsara sinoptika|Filazantsara telo voalohany]] dia manambara fa ny teny hoe ''Pesa'h'' dia manondro, ho an'ny Apostoly sy ho an'ny Fariseo, ny Paska jiosy sy ny fetin'ny mofo tsy misy masirasira ary ny fanatitra atao amin'ny andro paska<ref><small>Encyclopedia Judaica 2008, ''Passover'', The Gale Group, 2008 ([http://www.jewishvirtuallibrary.org/jsource/judaica/ejud_0002_0015_0_15458.html vakio an-tranokala] [tahiry]).</small></ref>. Araka ny Filazantsara sinoptika, dia nohomboana tamin'ny faha-15n'ny volana Nisana i Jesosy, tamin'ny andro voalohan'ny fety - ary ny Fiaraha-misakafo farany dia tamin'ny faha-14n'io volana io. Manan-danja amin'ny fivavahana kristiana io andro io fa nihinanan'i Jesosy sy ny mpianany ny paska sady nanaovan'i Jesosy lahateny fanazavana ny fahafatesany ho zavatra ilaina hahazoam-panavotana<ref><small>Marka 14.22 sy 24.</small></ref>. Ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Evanjelin'i Joany]] anefa dia milaza fa nohomboana tamin'ny faha-14n'ny volana Nisana i Jesosy, tamin'ny ora voatondro hanatanterahana ny fanatitry ny Paska<ref><small>Joany 19.14 ; jereo koa18.28.</small></ref> ary ny fiaraha-misakafo farany dia tamin'ny faha-13n'io volana io. Tsy araka ny tena fanisana andro izany fahasamihafana izany fa araka ny hevitra teolojika tian'ilay Evanjelistra havoitra, satria tiany haseho ho ilay zanak'ondrin'ny Paska i Jesosy<ref><small>Joany 1.29 sy 19.36. voatsiahy ao amin'ny ''Encyclopedia Judaica'' 2008.</small></ref>.