Kafarnahoma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Kapernaomy ho Kafarnahoma i Thelezifor : Io no manakaiky ny fanonona hebreo ao amin'ireo Baiboly malagasy.
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanova ny anarana Kapernaomy rehetra ho Kafarnahoma izay manakaiky kokoa ny fanononana hebreo sady hita ao amin'ny Baiboly malagasy (katolika sy Diem).
Andalana faha-1:
I '''KapernaomyKafarnahoma''' na '''Kafarnaomy'''Kapernaomy dia tanana kely onenana mpanjono ao amin'ny faritanin'i [[Galilia]] (na Galilea), eo ampita avaratra-andrefan'ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy izay atao hoe koa Genesareta na Jenezareta) ao amin'ny tapany avaratry ny Fanjakan'i [[Israely]]. Tamin'ny fitondran'ireo Hasmoneana, dia teo anelanelan'ny 6 sy 10 ha ny velaran'ity tanàna ity ary miisa 1 700 eo ho eo ny mponina ao aminy <ref><small>Peder Borgen, David Edward Aune, Torrey Seland, Jarl Henning Ulrichsen, , Brill, 2003 ([https://books.google.fr/books/about/Neotestamentica_et_Philonica.html?hl=fr&id=1l9RXDl1JB4C lirevakio en lignean-tranonkala] [archivetahiry]), <abbr>p.</abbr> 40</small></ref>.
 
== Fiforonan-teny ==
Avy amin'ny anarana hebreo hoe כְּפַר נַחוּם / ''Kəfar Nāḥūm'' na ''Kfar Naḥūm'' ny anarana nogasina hoe Kapernaomy na KafarnaomaKafarnahoma. Atao ho ''Tell'' ''Naḥūm'' koa ny anaran'ilay tanàna amin'ny teny hebreo. Ny teny hoe ''Kfar'' dia midika hoe "tanàna kely" ary ny hoe ''Nahum'' dia "fiononana" na "fitserana". Midika hoe "tananan'ny mpampionona" ny hoe ''Kfar Nahum''. Mety misy ifandraisany amin'ny mpaminany [[Nahoma]] izay avy tao amin'ny tanàna atao hoe Elkoshé midika hoe "tanàna kelin'ny mpampionona". Amin'ny teny arabo, i KapernaomyKafarnahoma dia atao hoe ''Talnum'', ka ny hoe ''tell'' dia midika hoe "havoana" ary ny ''Num'' dia mety fanafohezana ny hoe ''Nahum''<ref><small>Vassilios Tzaferis, ''Excavations at Capernaum,1978-1982'', Eisenbrauns, 1989, 234 <abbr>p.</abbr></small></ref>.
 
== Tantara ==
Ny toerana nisy ny tanàna dia efa nisy olona tamin'ny taonarivo faha-3 tal. J.K. tamin'ny [[Andron'ny Alimo]]. Foana io toerana io tamin'ny [[Andron'ny Vy]] ary tsy nisy mponina indray raha tsy tamin'ny taonjato faha-5 tal. J.K<ref name=":0"><small>Stanislao Loffreda, "Capharnaum", dans Eric M. Meyers (dir.), ''Oxford Encyclopaedia of Archaeology in the Near East'', <abbr>vol.</abbr> 1, Oxford et New York, Oxford University Press, 1997</small></ref>. Niorina tamin'ny fitohizam-panjakana hasmoneana tao [[Jodia]] (na Jodea) ny tanàna. manaporofo izany fahitana vola antitra indrindra teo amin'ny toerana niorenan'ny tanàna voalohany, dia vola tany amin'ny taonjato faha-2 tal. J.K.
 
Teo amin'ny sisintanin'i Galilia, teo amin'ny sampany iray amin'ny lalan'ny mpivarotra atao hoe Via Maris ("Lanan'ny Ranomasina"). Tamin'ny fotoana nisehoan'ny tantara ao amin'ny [[Filazantsara]] (na Evanjely), dia nisy fadin-tseranana sy antoko-kelin'ny miaramila romana teo ambany fibaikoan'ny mpifehy iray i KapernaomyKafarnahoma; izany dia manazava kokoa ny fisian'ny apostoly Levy na [[Matio]], izay mety nanana trano fiasana tao hakany hetra amin'ny mpanjono sy ny mpivarotra eo an-tsisintany<ref><small>Jean-Christian Petitfils, ''Jésus'', Fayard, 2011, <abbr>p.</abbr> 57</small></ref>. Voasoratra in'enina ambin'ny folo ao aminan'ireo Filazantsara i KapernaomyKafarnahoma, ka laharana faharoa izy amin'izany aorian'i Jerosalema<ref><small>''The New Catholic Encyclopedia'', Volume 3, Thomson/Gale, 2003, <abbr>p.</abbr> 83</small></ref> <ref><small>Matio 4.12-13.</small></ref>. Tanànan'ny mpanjono sy ny tantsaha i KapernaomyKafarnahoma izay nisy mponina tsy nihoatra ny 1 000<ref><small>Donald John Wiseman, Edwin M. Yamauchi, ''Archaeologie and the Bible'', Zondervan, 1979, <abbr>p.</abbr> 79</small></ref>. I Betsaida, izay tanàna kely teo akaikin'i KapernaomyKafarnahoma teo amoron'ny farihin'i Tiberiada nefa miorina teny an-dafin'i [[Jordana (ony)|Jordana,]] dia lazaina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] fa tanàna nipoiran'i [[Simona Petera|Petera]] sy i [[Andrea (apostoly)|Andrea]] rahalahiny ary i [[Filipo]] ary mety misy fifandraisany amin'i Natanaela.
 
Tamin'ny taonjato faha-2, taorian'ny nanadravana ny tanànan'i Jerosalema sy ny nandraràna ny Jiosy rehetra tsy hiditra ao, dia nisy Jiosy nazoreana sy mpanao taozavatra avy amin'ny Empira bizantina tao KafarnaomyKafarnahoma. Nisy mponina miisa tokony ho 1 500 tao tamin'ny taonjato faha-5. Nisy fiangonana bizantina tao izay naorina teo amin'ny sisam-paharavan'ny atao hoe "ny tranonin'i Md Petera".
 
Ny tanàna kely izay simban'ny horohorontany tamin'ny taona 746 ka efa namborina indray somary lavidavitra eny dia niha nihena laza ka navelan'ny olona nandritra ny taonjato faha-11. Nanana ny lazany i KafarnaomyKafarnahoma nefa tsy ahitana sisan-javatra naorina tamin'ny fandalovan'ireo Kroazada (na Krosada).
 
Hitan'ilay Amerikana manampahaizana momba ny jeografian'ny Baiboly, Edward Robinson, tamin'ny taona 1838 ny toerana niorenan'ny tanana fahizay. Tamin'ny taona 1866, ny mpanao sarin-tany, Charles Wilson, dia nahita ny sisam-paharavan'ny [[sinagoga]], ary tamin'ny 1894, ny ampahany amin'ny toerana nisy ny tanàna tany aloha dia novidin'ny Zana-paritanin'ny Tany Masina (latina: ''Custodia Terræ Sanctæ'') izay an'ireo Fransiskana. Natao teo anelanelan'ny taona 1968 sy 1984 ny fihadian'ny arkeologa ny toerana. Nisy fihadiana natao koa tamin'ny toerana nisy ny tanàna, tandrifin'ny an'ny Ortodoksa grika, teo anelanelan'ny taona 1978 sy 1982<ref name=":0" />.
 
== Ankehitriny ==
Mbola ao manadraka ankehitriny ny sisan'ny tanànan'i KafarnaomyKafarnahoma taloha, ka ahitana:
* ny sisan'ny sinagoga lehibe tamin'ny vanim-potoana bizantina;
* ny tranon'i Petera izay ahitana eo amboniny ny eglizy katolika moderna iray;
* ny eglizy grika ortodoksan'ny Apostoly fito izay naorina tamin'ny taona 1931 eo amin'ny toerana nanorenana indray ny tanànanan'i KapernaomyKafarnahoma taorian'ny horohorontanin'ny taona 746;
* hita eo amin'ny fidirana amin'ilay toerana ny tranon'ny fikambanan'ireo Fransiskana.