Bokin'i Malakia : Fahasamihafan'ny versiona roa

k
Tsipelina sy rohy
k (Nanisy sary sy endrika)
k (Tsipelina sy rohy)
 
=== Ny fotoana nanoratana ===
Na dia boky farany ao amin’ny Testamenta Taloha aza ny Bokin’i Malakia ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly kristiana, sady farany ao amin’ireo [[Bokin'ny Mpaminany 12|Mpaminany madinika]] (madinika noho ny sorany fohy), ao amin’ny fizaràna faharoan’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo), tsy izy no nosoratana farany. Ny Bokin’i Malakia dia voasoratra taorian’ny taona 516 tal. J.K., fotoana nanombohan’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny [[Tempoly]] (jereo Mal. 1.13), sy talohan’ny nandraràn’i [[Nehemia]] ny fifanambadiana amin'ny hafa firenena (taona 445 tal. J.K.) Mety teo anelanelan’ny taona 460 sy 450 tal J.K. izany no nanoratana ny Bokin'i Malakia.
 
== Fizaràn’ny boky ==
Ny Bokin’i Malakia dia misy toko telo na efatra arakaraka ny mpanonta Baiboly, ka ny toko fahatelo izay misy andininy 24 amin’ny Baiboly sasany dia voazara ho toko faha-3 (3.1-18) sy faha-4 (4.1-6) amin’ny Baiboly hafa. Azo zaraina fito io boky io ka ny tsirairay aminy dia mifanandrify amina lahatenim-paminaniana izay aseho amin’ny endrika fampianarana, afa-tsy ny fizaràna farany izay heverin’ny mpikaroka momba ny Baiboly sasany fa tovana nataon'nyolona sasanyhafa taty aoriana mba hitovian’ilay "mpitondra hafatra" (''malakhi'') (Mal. 3.1) amin’ny mpaminany [[Elia]].
 
{{Testamenta Taloha}}
 
=== Ny fanambadiana (2.10-16) ===
Ny faminaniana fahatelo dia mikasika ny fisaraham-panambadiana sy ny fanbambadianafanambadiana eo amin’ny Jiosy ny hafa firenena ([[jentilisa]]) izay tsy sitrak’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fanambadiana jentilisa dia tafiditra sy tsy manaja ny fanekem-pihavanana tao Sinay ny vahoaka jiosy.
 
=== Ny Andron’i Yahweh (2.17 – 3. 5) ===
Ny faminaniana fahefatra dia manambara ny hiavian’Andriamanitra, izay hitsara ny mpanao ratsy, sy ny hiavian’ny "iraka" (''malakh'') izay hanadio ny raharaham-pisoronana sy ny Tempoly.
 
=== Ny ampahafolon-karena (3.6-12) ===
Ny faminaniana fahadimy dia manazava fa misy ny valala ka ratsy ny fiotazam-bokatra ary misy ny mosary noho ny famitahan’ny vahoaka an’Andriamanitra tamin’ny tsy nanoloran’izy ireo ny ampahafolon-karena manontolo izay efa voasoratra ao amin’ny lalàna. Raha aloan’izy ireo manontolo izany, dia hesorin’Andriamanitra ny ozona ary hampahavokatra ny fambolena izy.
 
=== Ny valin’ny natao amin’ny Andron’ny Fitsaràna (3.13-21) ===
Ny faminaniana farany dia manambara fa ny fankatoavana an’Andriamanitra dia ho valiana soa ary sazy no miandry ny mpanota amin’ny [[Fitsarana farany|Andron’ny Fitsarana]].
 
=== Ny lalàn’i Mosesy sy ny hiverenan’i Elia (3. 22-24) ===
Ireo tovana roa dia mamporisika indray ny vahoaka mba hahatsiaro ny [[Torah|lalàn’i Mosesy]] (4.4) sy nanambaramanambara fa hirahina hirahinany mpaminany [[Elia]] alohan’ny hiaviana’ny [[andron’i Yahweh]], izay lehibe sy mahatahotra (4.5).
 
== Lanjan’ny boky ==
Ny Bokin’i Malakia dia mitondra fahalalana ara-tantara mikasika ny zava-nisy teo amin’ny fivavahana sy ara-tsosialy tao Palestina taorian’ny Fahababoan’ny[[Fahababoana|Fahababoan]]’ny Jiosy tany Babilona teo anelanelan’ny taona 586 sy 538 tal. J.K., ary talohan’ny nandaminana indray ny firenena jiosy nataon’i [[Nehemia]]. Ho an’ny Kristiana, manana ny lanjany izany satria mpialoha lalana ny [[Mesia]].
 
== Jereo koa: ==
16 037

modifications