Ôtniela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao: olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanampy fanazavana
Andalana faha-1:
I '''Otniela''' na '''Hôtniela''' dia mpitsara israelita. Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. ''Otniel Ben Knaz'' no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe ''Otniela zanak'i Kenaza''. (Mpit. 3.8-11). I Kosama-Riseataima, mpanjakan'i Arama no nifanandrina taminy. Tamin'ny androny dia nandry fehizay tanatin'ny 40 taona i Israely. IIzy no mpitsara voalohany tao Israely ary i [[Ehoda]] no nandimby azy.
 
Nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Joda. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza. Izy koa dia niady amin'ny Edômita. Niditra tao amin'ny tany Kanana i Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an'i Ejipta. Resin'i Farao anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.