Bokin' i Ezekiela: Fahasamihafan'ny versiona

k
Nanisy rohy sy nanakely soratra
k (Loharano)
k (Nanisy rohy sy nanakely soratra)
[[Sary:Bible Ezechielovo vidění.JPG|vignette|''Ny fahitan'ny mpaminany [[Ezekiela]]'', Gustave Doré, taona 1883.]]
[[Sary:Quinten Massys Vision des Propheten Ezechiels.jpg|vignette|180x180px|''Ny Lohasahan'ny taolana maina,'' nataon'i Quentin Metsys the Younger, taona 1589.]]
Ny '''Bokin’i Ezekiela''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Milaza fitsarana sy fandrahonana an’ireo Israelita ny faminaniana raha mbola tsy rava ny Fanjakan’i Joda, fa faminaniana ny fanamelohana ireo firenena mpampahory ny vahoakan’Andriamanitra sy fanantenana ny hiverenan’ny voninahitr’i Isiraely kosa no vontoatin’ny faminanianana nandritra ny Fahababoana tany Babilonia. Ho tsaraina amin’ny asa nataony avy ny olombelona tsirairay sady hisy ny fitsanganan’ny maty ho velona. Haorina fanindroany ny Tempoly. Izany dia fahitana apokaliptika.
 
=== I Ezekiela ===
Mpisorona tao Jerosalema i [[Ezekiela]]. Nentina natao sesitany tany Babilonia koa izy niaraka tamin’ireo Jiosy hafa avy any Joda tamin’ny fotoan’ny Fahababoana, tamin’ny andron’i Dariosa Lehibe mpanjakan’i Persia tany amin’ny taonjato faha-6 tal. J.K.
[[Sary:Visionary Ezekiel Temple.jpg|vignette|182x182px|''Ny kisarin'ny Tempoly,'' nataon'i Charles Chipiez, taonjato faha-19.]]
Nofidin’Andriamanitra ho mpaminany ho an’ireo babo tany Babilona sy ireo sisa tavela tao Jerosalema izy. Nanomboka tokony ho tamin’ny taona 597 tal. J.K. nandritra ireo taona faramparan’ny Fanjakan’i Joda sady nifarana tamin’ny 570 tal. J.K. ny asa faminaniany. Ataon’Andriamanitra hoe "zanak’olona" i Ezekiela.
 
=== Ny mpanoratra ny boky ===
Ny lovantsofina dia manao an’i Zakaria ho nanoratra ny Bokin’i Zakaria. Nefa ny mpikaroka momba ny Baiboly sasany dia milaza fa tsy olon-tokana no nanoratra io boky io fa olona maro tamin’ny fotoana samihafa. I Pohlmann<ref><small>K.-F POHLMANN, ''Ezechielstudien. Zur Redaktionsgeschichte des Buches und zur Frage nach den ältesten Texten'' (BZAV 202), Berlin/New-York, 1992.</small></ref> dia milaza fa ny toko voalohany hatramin’ny faha-33 dia nosoratan’ilay mpaminany fa ny faha-34 hatramin’ny 48 dia soratra nanatevanana taty aoriana tao Babilona<ref><small>''Introduction à l'Ancien Testament'' - Textes édités par Thomas Römer, Jean-Daniel Macchi et Christophe Nihan - Éditions du Cerf - (ISBN 2-830-91112-1)</small></ref>.
 
== Ny firafitry ny boky ==
 
* [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan'i Joany]]
* [[Ezekiela]]
 
== Loharano ==
28 223

modifications