Ezra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanala teny tsy izy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:109.Ezra Reads the Law to the People.jpg|vignette|''Mamaky ny Lalàna eo anatrehan'ny vahoaka i Ezra,'' nataon'i Gustave Doré, taona 1866.]]
I '''Ezra''' na '''Esdrasa''' dia olona resahina ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ny [[Baiboly]] kristiana, indrindra ao amin’ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) sy ny [[Bokin'i Nehemia]], sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilona izay niverina an-taniny tao Jerosalema tamin’ny tokony hotamin'ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady [[mpisorona]] izy no [[mpanoradalàna]], izay velona teo anelanelan’ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalàna na Esdrasa Mpanoradalàna koa izy (hebreo : ''עזרא הסופר‬ /Ezra ha-Sofer'').
 
== Ny asa nataon'i Ezra ==
 
=== Fanavaozana ny fivavahana jiosy ===
Nitana anjara lehibe teo amin’ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian’ny [[Fahababoana]] i Ezra. I Ezra dia heverin’ny sasany ho mpanorina faharoa (taorian’ny [[Mosesy]]) ny firenena jiosy. Izy no nipoiran’ny fampanjariana fehezan-dalàna ireo fitsipika isan-karazany nifehy ny fivavahana sy ny fiaraha-monina jiosy, indrindra ireo izay mifehy ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny [[Tempoly]] sy ny famaritana ny boky filamatry ny finoana ([[Kanona|boky kanonika]]). Nandray anjara betsaka tamin’ny fanoloana ny mpisorona ho mpampianatra (na ''raby,'' hebreo: ''רַב'' / ''rav'') izy.
 
=== Fanorenana indray ny Tempoly ===
Izy no nitondra ny andiany faharoa tamin’ireo Jiosy nody an-tanindrazana taorian’ny Fahababoana avy any Babilona mba hanorina indray ny [[Tempoly]] ao Jerosalema izay noravan’ireo Babiloniana tany aloha.
 
=== Fanoratana boky ===
Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanonika mitondra ny anarany, dia ny [[Bokin’i Ezra]] na Bokin’i Esdrasa. Misy boky apokrifa na pseodepigrafika maro koa izay mitondra ny anarany dia ny [[Boky voalohan'i Esdrasa|1 Esdrasa]] sy ny [[Boky faharoan'i Esdrasa|2 Esdrasa]]. Ity farany dia atao hoe koa [[Apokalipsan'i Esdrasa]].
 
== Jereo koa: ==