Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Ny Mesia araka ny fivavahana Silamo
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanampy teny latsaka
Andalana faha-2:
Ny '''Mesia''' dia olona voatendry sy voahosotr’Andriamanitra ka irahiny mba hamonjy ny olombelona. Ny fivavahana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[silamo]] no tena ahitana ny finoana ny amin’ny Mesia nefa ny fivavahana hafa koa dia mety hanana izay mitovy amin’ny atao hoe Mesia. Amin’ny Kristiana dia efa tonga teto an-tany ny Mesia, dia i [[Jesosy|Jesoa Kristy]], sady mbola hiverina eto; fa amin’ny ankapobeny dia mbola miandry ny fahatongavan’ny Mesia ny Jiosy. Manao an’i Jesoa (Îsâ) ho Mesia ny fivavahana silamo.
 
Ny hoe ''mesia'' dia manambatra ny anjara asa maha-mpanjaka amin’ny anjara asa maha-mpisorona. Mahita zavatra fahatelo hamaritany ny atao hoe ''Mesia'' ny Kristiana, dia ny amin’ny fiaretana fijaliana sahala amin’ilay MpanompoMpanompon'i Yahweh ao amin’ny [[Bokin'i Isaia|Bokin’i Isaia]] (Is. 2.53). Ao amin’ny teolojia kristiana, i Jesoa no heverina ho ilay hany olona mahafeno ireo fepetra ireo.
 
Ampiasaina ivelan’ny tontolon’ny teolojia koa ny teny hoe ''mesia'' mba hanondroana izay olona mihevi-tena na heverina fa mpanafaka ny firenena na ny vahoaka iray na izay olona andrasana ho mpamonjy ny olombelona ao amin’ireo fivavahana hafa.