Filazantsara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namintina ny filazantsara
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-5:
 
== Ireo filazantsara na evanjely kanonika ==
Maro ny filazantsara na evanjely, nefa ny efatra amin'ireo ihany no noraisin'ny Kristiana ho boky mendrika ny ho hita ao amin'ny [[Baiboly]], ny hafa rehetra izay tsy voaray dia atao hoe apokrifa. Ny Filazantsara efatra dia tsy afangaro amin'ireo boky ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] toy ny ''Asan'ny Apostoly'', ireo [[Epistily]] ary ny ''[[Apokalypsin'i Jaona]]'' (na ''Apokalipsan'i Masindahy Joany'').
 
=== Fanasokajiana ny evanjely kanonika ===
Misokajy roa ny Filazantsara, dia ireo [[Filazantsara synoptika]] (na Vaovao Mahafaly sinoptika) sy ny [[Filazantsara araka an'i Jaona]] (na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Joany).
 
Telo ireo Filazantsara synoptika, dia ny ''[[Filazantsara araka an'i Matio]]'' (na ''Filazantsaran'i Matio'') sy ny ''[[Filazantsara araka an'i Marka]]'' (na ''Filazantsaran'i Marka'') ary ny ''[[Filazantsara araka an'i Lioka]]'' (na ''Filazantsaran'i Lioka'').
 
=== Vontoatiny ===
Andalana faha-18:
 
==== Filazantsara araka an'i Matio ====
Fifandimbiasana fitantarana sy fifanjohian-toriteny no mamorona ny [[Filazantsara araka an'i Matio|Filazantsaran'i Matio]]. Betsaka ireo toriteny nataon'i Jesoa taterin'ity evanjely ity ka isanireny ireo manambara ny vaovao mahafalin'ny famonjena sy ny fanjakan'Andriamanitra, ireo fanoharana isankarazany, ny torohevitra ho an'ny Fiangonana ary ny amin'ny Andro farany. Ny Evanjelin'i Matio dia mitantara ny fahaterahan'i Jesoa sy ny fahazazany, ny fihaonany tamin'i Joany mpanao batisa, ny fiantsoany ireo mpianany, ireo fahagagana sy fanasitranana nataony, ny fijaliany, ny fitsanganany ho velona ary ny fanirahany ireo mpianany hitory ny vaovao Mahafaly eran'izao tontolo izao.
 
==== Filazantsara araka an'i Marka ====
Mitantara ny [[Filazantsara araka an'i Marka|Evanjely araka an'i Marka]] fa tao Galilia i Jesoa no niseho voalohany, nisedra ny fanoheran'ireo tsy tia azy, nanao fanoharana sy fahagagana ary niady hevitra tamin'ireo mpanohitra azy koa. Niasa tany ivelan'i Galilia koa i Jesoa ka tany izy dia mbola nanao fahagagana, niady hevitra tamin’ireo Fariseo, niresaka ny amin'ny fanjakan’Andriamanitra sy ny hamafin'ny fanarahana azy. Ny Filazantsaran'i Marka dia mitantara fa tao Jerosalema i Jesoa dia no nanadio ny Tempoly, nitsikera ireo Fariseo, nilaza ny amin’ny zavatra hiseho amin’ny andro farany. Tao izy no nosamborina sy notsaraina. Mitantara ny nampijaliana an'i Jesoa sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona koa ny Filazantsara araka an'i Marka.
 
==== [[Filazantsara araka an'i Lioka]] ====
 
==== [[Filazantsara araka an'i Jaona]] ====
 
== Ireo filazantsara apokrifa ==