Pentateoka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Epìdosis (dinika | fandraisan'anjara)
k →‎Fiforonan-teny : Fix Greek name
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanampy hehin-kevitra sy rohy
Andalana faha-7:
Ireto avy ireo boky ao amin'ny Pentateoka: ny ''[[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]'' na ''Jenezy'', ny ''[[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]'' na ''Eksaody'', ny ''[[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]'' na ''Levitika'', ny ''[[Bokin'ny Nomery|Nomery]]'', ary ny ''[[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]]'' na ''Deoteronomy''.
 
=== Ny Bokin'ny Genesisy ===
Mitantara ny famoronan'Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany ny Bokin'ny Genesisy. Mitantara ny amin'ny safodrano lehibe tamin'ny andron'i [[Noa]] izay vokatry ny fahotana nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny [[Tilikambon'i Babela]]. Miresaka momba ireo Raiben'ny Israely toa an'i [[Abrahama]] sy i [[Isaka (Hebreo)|Isaka]] sy i [[Jakoba]] ary i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] koa io boky io. Ny lovan-tsofina dia milaza fa i [[Mosesy]] na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy.
 
=== Ny Bokin'ny Eksodosy ===
Mitantara ny fanafahana ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany amin'ny tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra Sinay ny Bokin'ny Eksodosy. Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
 
=== Ny Bokin'ny Levitikosy ===
Miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoampivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i [[Levy (zanak'i Jakoba)|Levy]] ny Bokin'ny Levitikosy.
 
=== Ny Bokin'ny Nomery ===
Manohy ny tantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy momba ny dian'ny Israelita namakivaky ny tany efitr'i Sinay notarihin'i [[Mosesy]] na Moizy hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanana ny Bokin'ny Nomery.
 
=== Ny Bokin'ny Deoteronomia ===
Manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksodosy, Levitikosy, Nomery) ny Bokin'ny Deoteronomia.
 
== Jereo koa: ==
* [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|Bokin'ny mpaminany]]
* [[Boky ara-tantara (Baiboly)|Boky ara-tantara]]
* [[Bokim-pahendrena (Baiboly)|Bokim-pahendrena]]
[[Sokajy:Testamenta Taloha]]