Boky voalohan' ny Mpanjaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fanampiana andalana vitsy sy fanitsiana tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''Boky voalohan’ny Mpanjak'''a na '''Mpanjaka voalohany''' dia boky ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona (na Salomona) ho mpanjaka , ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa, ny fahotan'ireo mpanjaka ary ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana izany.
[[Sary:Salomons dom.jpg|vignette|''Ny fitsaran'i Solomona,'' nataon'i Pierre Paul Rubens, 1617]]
Raha mbola tsy maty i [[Davida (Baiboly)|Davida]] dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Solomona (na Salomona) ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Solomona tamin'ny naha-mpanjaka azy ka ho setrin’izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ny nahafatesany. Ny tapany avaratra dia natao hoe Fanjakan’i Joda fa ny ilany atsimo kosa dia natao hoe Fanjakan’i Israely (na Fanjakan’i Samaria). Ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ny boky dia tsaraina amin’ny fifikirany na tsia amin’Andriamanitra.
 
Misongadina ao amin’io boky io ny firotsahan’ny mpaminany Elia sy Elisa ary ny mpaminany hafa an-tsehatra hampanjaka ny Lalàn’i [[Yahweh]], dia lalàna mifehy ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana ary ny fitondran-tena. Nanohitra ireo mpanjaka ratsy toa an’i Ahaba sy ny mpanjakavavy Jezebela i Elia tany amin’ny Fanjakan’i Israely. Nampisongadina ny maha-tokana an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra marina, ireo mpaminany, indrindra fa i Elia. Nifaninana tamin’ny mpaminanin’i Bala, izay ataon'ny Baiboly ho andriamanitra tsy izy, i Elia ka naharesy azy ireo raha samy nanao sorona. Tsy tantara ihany no hita ao amin’ny Bokin’ny Mpanjaka fa misy faminaniana koa.
 
{{Testamenta Taloha}}
Andalana faha-16:
 
== Fizaran’ny Boky ==
Azo zaraina efatra ny boky nefa ny fizarana roa voalohany na ny roa farany dia azo atambatra ho fizarana tokana: ny fanombohan’ny fanjakan’i Solomona (toko faha-1 sy faha-2), ny fitondran’i Solomona (toko faha-3 – faha-11), ny fivakisan’ny firenena ho fanjakana roa (toko faha-12 – faha-16) ary ny amin’ny mpaminany Elia (toko faha-17 – faha-22).
 
=== Ny fanombohan’ny fanjakan’i Solomona (1 – 2) ===
- Lasa mpanjaka i Solomona (1.1-53)
 
Andalana faha-24:
 
- Nandray ny fitondrana ny fanjakana i Solomona (2.13-46)
 
- Ny amin’ny mpaminany Elia (17 – 22)
 
=== Ny fitondran’i Solomona (3 – 11) ===