Bokin' i Rota: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Namindra andalan-tsoratra
Andalana faha-1:
[[Sary:Philip Hermogenes Calderon - Ruth and Naomi.jpg|vignette|240x240px|''I Rota sy i Naomy'', nataon'i Philip Hermogenes Calderon]]
Ny '''Bokin’i Rota''' dia boky ao amin’ny [[Testamenta Taloha]], ao amin’ny [[Baiboly]], sy ao amin’ny [[Tanakh]], boky masin'ny jiosy[[Tanakh]]Jiosy. Mitantara ny fiainan’ny fianakaviana iray tamin’ny andron’ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] mpanjaka.
 
Avondrona ao amin’ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly kristiana fa isan’ireo atao hoe Ketuvim (« soratra ») kosa ao amin’ny boky masina hebreo Tanakh. Atao hoe ''Megilath Ruth'' (« horonam-bokin’i Rota ») io boky io ao amin’ny Tanakh.
Andalana faha-7:
 
== Fizaràna ny boky ==
Boky kely ny Bokin’i Rota ka azo zaraina efatra araka ny isan’ny toko ao aminy.:
 
===- Ny tsy fialàn’i Rota tamin’ny rafozany (Rot. 1) ===
 
- Ny nifankahitan’i Rota sy i Boaza (Rot. 2)
 
- Ny paika nataon’i Naomy ho an’i Rota (Rot. 3)
 
- Ny fampakaran’i Boaza an’i Rota ho vady (Rot. 4)
 
=== Ny tsy fialàn’i Rota tamin’ny rafozany ===
Nifindra monina tany Moaba ny lehilahy israelita iray atao hoe Elimeleka sy i Naomy vadiny mba handositra ny fijaliana tao amin’ny taniny. Nanambady an’i Rota ny zanakalahin’izy ireo. Maty anefa i Elimeleka sy ireo zananilahy izay tsy namela zanaka. Nody tany amin’ny taniny any [[Betlehema]] i Naomy nefa nanaraka azy koa i Rota na dia navelan-drafozany hiverina any amin’ny ray aman-dereniny aza.
 
=== Ny nifankahitan’i Rota sy i Boaza (Rot. 2) ===
Tao Betlehema, nifankahita tamin’i Boaza, zana-drahalahin’ny vadin’i Naomy, i Rota raha nitsimpona salohim-bary tao amin’ny sahan’i Boaza. I Boaza dia lehilahy nanan-karena na dia mosarena ny tany tamin’izany fotoana izany.
[[Sary:Julius Schnorr von Carolsfeld- Ruth im Feld des Boaz.jpg|vignette|227x227px|''I Rota teo an-tsahan'i Boaza'', Julius Schnorr von Carolsfeld]]
 
=== Ny paika nataon’i Naomy ho an’i Rota (Rot. 3) ===
[[Sary:Ruth comes to take shelter under Boaz's cloak. Engraving. Wellcome V0034307.jpg|vignette|233x233px|''I Rota nitady fialofana teo amin'i Boaza'']]
Mba hahatonga an’i Naomy hanana taranaka dia nanao tetika i Naomy ny mba hisian’ny havam-badiny hanambady an’i Rota, ka naniraka azy handry an-tsokosoko teo an-tongotr’i Boaza mba hahatonga an'ity farany hanampy azy mba hahazoana. Ny lehilahy tokony hanambady an’i Rota anefa tsy tapa-kevitra ny hanambady azy.
 
=== Ny fampakaran’i Boaza an’i Rota ho vady (Rot. 4) ===
Nahita fitia teo imason’i Boaza i Rota ka tanteraka ny fanambadian’izy roa. Niteraka an’i Obeda izy ireo, dia ilay razamben’i Davida mpajaka.