Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:The Anointing of David - Veronese 1555.jpg|vignette|258x258px|''Fanosorana an'i Davida'' - Paul Véronèse, 1555]]
Ny '''Mesia''' dia olona voatendry sy voahosotr’Andriamanitra ka irahiny mba hamonjy ny olombelona. Ny fivavahana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[silamo]] no tena ahitana ny finoana ny amin’ny Mesia nefa ny fivavahana hafa koa dia mety hanana izay mitovy amin’ny atao hoe Mesia. Amin’ny Kristiana dia efa tonga teto an-tany ny Mesia, dia i [[Jesosy|Jesoa Kristy]], sady mbola hiverina eto; fa amin’ny ankapobeny dia mbola miandry ny fahatongavan’ny Mesia ny Jiosy. Manao an’i Jesoa (Îsâ) ho Mesia ny fivavahana silamo.
 
Ligne 15 ⟶ 16 :
=== Ny Mesia araka nyTanakh ===
Tsy mitovy ny fomba filazan’ny boky ao amin’ny Tanakh ny amin’ny Mesia. Ny mpisoron’i Israely sy ny mpaminany ary ny mpanjaka dia samy voahosotra amin’ny menaka masina alohan’ny handraisany ny asany.
[[Sary:Cyrus II le Grand et les Hébreux.jpg|vignette|''I Kyrosy Lehibe sy ireo Hebreo'' - nataon'i Jean Fouquet - 1470-1475.]]
 
Maromaro ireo faminaniana izany miresaka ny amin’ny olona iray ao amin’ny taranak’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] hohosorana hitondra ny Jiosy sady hatao hoe ''Melekh hamashiah'' na ''Mashiah''. Ny faminaniana momba io olona io dia miresaka azy ho taranaky ny mpanjaka Davida, izay hanangana indray ny firenen’i Israely sy hitondra fiadanana amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny Fanjakan'ny taranak’i Davida sady handringana ny ratsy fanahy sy hitsara izao tontolo izao amin’ny [[andro farany]].
 
Ligne 26 ⟶ 27 :
 
== Ny Mesia araka ny fivavahana kristiana ==
[[Sary:Christ Falling on the Way to Calvary - Raphael.jpg|vignette|''I Kristy miakatra ho any Kalvary,'' Raphael, 1516.]]
Manorina ny finoany an'i Jesoa ho Mesia ao amin'ny Testamenta Taloha sy amin'ny Testamenta Vaovao ny Kristiana.
 
Ligne 36 ⟶ 38 :
 
=== Filazànan’ny Testamenta Vaovao ===
[[Sary:Stefan Lochner - Last Judgement - circa 1435.jpg|vignette|''Ny Fitsarana farany'' - Stefan Lochner - 1435.]]
Araka ny voalaza ao amin’ireo [[Filazantsara synoptika|Filazantsara telo voalohany]] ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] sy [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]] ary [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]]), nambaran’ny [[anjely]] fony izy mbola tany an-kibon’i Maria ny maha-Mesia an’i Jesoa (Mat. 1.20-23), toy izany koa tamin’ny nahaterahany (Lio. 2.9-14) sy tamin’ny fanaovam-[[batisa]] azy (Mar. 1.11). Neken’ireo [[demony]] izany maha-Mesia an’i Jesoa izany (Lio. 4.41) sady ninoan’i Petera sy i Jesoa tenany koa (Mat. 16.16-17). Ny Filazantsara araka an’i Marka (Mar. 14.61-64) dia mitantara ny naneken’i Jesoa ny maha-Mesia ny tenany sady maneho koa fa izany no antony namonoana azy.