Mesia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny finoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Andalana faha-1:
Ny '''Mesia''' dia olona voatendry sy voahosotr’Andriamanitra ka irahiny mba hamonjy ny olombelona. Ny fivavahana [[Jodaisma|jiosy]] sy [[Kristianisma|kristiana]] ary [[silamo]] no tena ahitana ny finoana ny amin’ny Mesia nefa ny fivavahana hafa koa dia mety hanana izay mitovy amin’ny atao hoe Mesia. Amin’ny Kristiana dia efa tonga teto an-tany ny Mesia, dia i [[Jesosy|Jesoa Kristy]], sady mbola hiverina eto; fa amin’ny ankapobeny dia mbola miandry ny fahatongavan’ny Mesia ny Jiosy. Manao an’i Jesoa (Îsâ) ho Mesia ny fivavahana silamo.
 
Ny hoe ''mesia'' dia manambatra ny anjara asa maha-mpanjaka amin’ny anjara asa maha-mpisorona. Mahita zavatra fahatelo hamaritany ny atao hoe ''Mesia'' ny Kristiana, dia ny amin’ny fiaretana fijaliana sahala amin’ilay Mpanompo ao amin’ny [[Bokin'i Isaia|Bokin’i Isaia]] (Is. 2.53). Ao amin’ny teolojia kristiana, i Jesoa no heverina ho ilay hany olona mahafeno ireo fepetra ireo.
 
AmpiasanaAmpiasaina ivelan’ny tontolon’ny teolojia koa ny teny hoe ''mesia'' mba hanondroana izay olona mihevi-tena na heverina fa mpanafaka ny firenena na ny vahoaka iray na izay olona andrasana ho mpamonjy ny olombelona ao amin’ireo fivavahana hafa.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''mesia'' dia avy amin’ny teny hebreo hoe ''מָשִׁיחַ / mashiakh'' na ny teny arameana hoe ''משיחא / meshiha'' izay midika hoe "voahosotra", izay manondro ny mpamonjy ny olombelona ka ny fahatongavany izay andrasana dia voalaza mialoha ao amin’ny [[Testamenta Taloha]]. Ao amin’ny Septoaginta (na Septanta), io anarana io dia nadika hoe ''Khristos,'' ka avy amin’io no nahazoana ny hoe ''Kristy''. Izany no nahatonga ny anarana hoe ''Jesoa Kristy'' na ''Jesosy Kristy'' hanondro an’i Jesoa (na Jesosy) ho ilay Mesia. Amin’ny Kristiana dia efa tonga ny Mesia fa ho an’ny Jiosy kosa dia mbola ho avy izy. Avy amin’ny fototeny hoe משח, izay midika hoe "fanosorana ny olona iray amin’ny menaka oliva", araka ny fomba amam-panao jiosy, io teny io.
 
== Ny Mesia araka ny finoana jiosy ==
Ny olona nohosorana voalohany, araka ny Baiboly, dia hita ao amin’ny [[Bokin'ny Eksodosy|Bokin’ny Eksodosy]] (Eks. 29) ka ireo mpisorona no nohosorana tamin’izany: <small>"Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy."</small> (Eks. 29.7). Tamin’ny foton’ny Fahababoana tany Babilona, ny mpaminany sasany dia miresaka ny amin’ny mesia, dia ny mpanjaka izay hanorina indray ny fanjakana ao amin’ny tanin'i Isiraely sady hanafaka azy. Taty aorian’ny Fahababoana dia navelan’ireo Persiana hody any an-taniny ny Jiosy ka i Ezra (na Esdrasa), izay mpisoron-dehibe tao Jerosalema, no niandraikitra ny fanorenana indray ny Tempoly sy ny jodaisma, fa i Zorobabela kosa, izay taranak’i Davida, dia voatendry ho mpanapaka ny faritanin’i Yehoda. Ny tanjon’ny Persiana anefa dia tsy ny hiverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’ireo faritany anjakany fa ny hamerina indray ny fomba amam-panaony mba hahatonga azy ireo hanoa ny fitondrana persiana. I Zorobabela dia natsoina hiverina any Babilona, noho izany dia mpisorona no nantenaina ho Mesia.
 
Tamin’ny taonjato voalohany, noho ny fiheverany ny Romana ho ny zavatra ratsy indrindra, ny Jiosy dia nivaofy ny faminaniana ao amin’ny Baiboliny ([[Tanakh]]) ho manondro olona voatendrin’Andriamanitra hitondra ny Jiosy amin’ny fahafahana. Ambonin’izany, nikorontana na ara-politika na ara-pivavahana i Jodia : maro ireo "sekta" niady fahefana sy niady ho lohany ara-pivavahana. Ny Sadoseo sy ny Fariseo ary ny Eseniana no tena natanjaka indrindra amin’ireo. Tao koa ireo Galiliana sy Zelota ary Sikara.
 
=== Ny Mesia araka nyTanakh ===
Tsy mitovy ny fomba filazan’ny boky ao amin’ny Tanakh ny amin’ny Mesia. Ny mpisoron’i Israely sy ny mpaminany ary ny mpanjaka dia samy voahosotra amin’ny menaka masina alohan’ny handraisany ny asany.
 
Maromaro ireo faminaniana izany miresaka ny amin’ny olona ireyiray ao amin’ny taranak’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] hohosorana hitondra ny Jiosy sady hatao hoe ''Melekh hamashiah'' na ''Mashiah''. Ny faminaniana momba io olona io dia miresaka azy ho taranaky ny mpanjaka Davida, izay hanangana indray ny firenen’i Israely sy hitondra fiadanana amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fametrahana indray ny Fanjakan'ny taranak’i Davida sady handringana ny ratsy fanahy sy hitsara izao tontolo izao amin’ny [[andro farany]].
 
Araka ny hevitr’i Neil Asher Silberman, ao amin’ny ankamaroan’ny boky ao amin’ny Baiboly, ny hoe ''mashiahmashiakh'' dia midika hoe "mpitarika mahery ampanatanterahin’Andriamanitra asa". Nampiasaina hanondroana an’i [[Saoly]] (na Saola) sy i Davida ary i [[Solomona]] ary i Kyrosy Lehibe ihany koa io teny io. Tamin’ny nandravan’ny Babiloniana ny fanjakan’i Joda (586 tal. J.K.), ny vahoaka jiosy dia nanomboka niandry ny fotoana hahatongavan’ny mpanjaka voahosotr’Andriamanitra tahaka an’i Davida, na ny iray amin’ireo taranany, mba "hitsangana handringana ny fahavalon’i Israely" sy hamerina indray ny fahaleovantenany ary koa hanangana indray ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany<ref>Neil Asher Silberman, La vérité de Qumrân, Ed. Stock, 2003, pp. 179-180.</ref>.
 
=== Ny mesia araka ny Jodaisma tranainy sy amin’izao fotoana izao ===
Tsy mitovy ny fiheverana ny mesia eo amin’ny Jodaismajodaisma tranainy sy ny Jodaismajodaisma ankehitriny. Ny Talmud dia maneho karazana mesia roa: dia ny Mesia zanak’i Josefa sy ny Mesia zanak’i Davida. Amin’ny fiteny hebreo, ny teny hoe ''ben'' dia manondro amin’ny ankapoenyankapobeny ny hoe "zanaka", nefa mety hanondro ny taranaka avy amin-dray rehetra sahala amin’ny teny arabo hoe ''ibn''. Hivoaka avy amin’i Joda ny Mesia zanak’i Davida, izany dia mamerina indray ny zava-nitranga ny amin’i Kaleba, izay taranak’i Joda, sy i Josoa taranak’i Efraima zanak’i Josefa. Ny hoe ''ben'' sy ny hoe ''av'' (na ''ab'') dia mety hanana heviny hoe "sahala amin’ny fanaon’ny". Hisy izany ny "mesia miaritra fijaliana", sahala amin’i Josefa, sy ny "mesia mpandresy" sahala amin’i Davida. Amin’ireo raby jiosy sasany kosa, ny taranaka mifandimby tsirairay dia samy hanana ny mesiany avy.
 
Ny jodaisma ortodoksa sy ny jodaisma tranainy dia mino ny Mesia ara-nofo izay ho tonga hitondra ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao. Ny jodaisma nohavaozina kosa dia mampianatra fa hisy vanim-potoana hisian’ny fiadanana sy vanim-potoana mesianika, nefa tsy hisy mesia: ny fiadanana dia vokatry ny fanarenana an’izao tontolo izao (''tikkom olam'') izay avy amin’ny fiezaanfiezahan'ny rehetra mankany amin’ny fahamarinana ara-piarahamonina, fa tsy asan’olon-tokana. Tsy olon-tokana ny Mesia.
Ny hoe ''ben'' sy ny hoe ''av'' (na ''ab'') dia mety hanana heviny hoe "sahala amin’ny fanaon’ny". Hisy izany ny "mesia miaritra fijaliana", sahala amin’i Josefa, sy ny "mesia mpandresy" sahala amin’i Davida. Amin’ireo raby jiosy sasany, ny taranaka mifandimby tsirairay dia samy hanana ny mesiany avy.
 
Ny jodaisma ortodoksa sy ny jodaisma tranainy dia mino ny Mesia ara-nofo izay ho tonga hitondra ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao. Ny jodaisma nohavaozina kosa dia mampianatra fa hisy vanim-potoana hisian’ny fiadanana sy vanim-potoana mesianika, nefa tsy hisy mesia: ny fiadanana dia vokatry ny fanarenana an’izao tontolo izao (''tikkom olam'') izay avy amin’ny fiezaan'ny rehetra mankany amin’ny fahamarinana ara-piarahamonina, fa tsy asan’olon-tokana. Tsy olon-tokana ny Mesia.
 
== Ny Mesia araka ny fivavahana kristiana ==
Ligne 31 ⟶ 29 :
 
=== Fivoasan’ny Kristiana ny Testamenta Taloha ===
Ny fahatongavan’ny Mesia voafidin’Andriamanitra, dia nambara im-betsaka ao amin’ny [[Testamenta Taloha]]. Mampifandray ireo faminaniana ireo amin’i [[Jesosy|Jesoa]] ny Kristiana. Mino ny Kristiana fa i Jesoa no ilay Mesia na Kristy. Ny teny hoe ''Kristy'' (gr.: ''Χριστός'' / ''Khristos,'' "voahosotra") dia dika ara-bakitenin’ny hoe ''mashiahmashiakh'' izay ampiasaina ao amin’ny Septoaginta. Avy amin’ny matoanteny hoe ''χριω'' / ''khriô'' izay midika hoe "manosotra menaka manitra", sahala amin’ny rehefa avy nandro, ny teny hoe ''khristos''. Ny Fanjakan’ilay Mesia niaritra fijaliana, araka ny hita ao amin’ny [[Bokin'i Isaia|Bokin’i Isaia]] (Is. 52.53) dia tsy avy amin’izao tontolo izao. Ny teny grika hoe ''Μεσσίας / Messias'' dia tsy miseho afa-tsy in-droa ao amin’ny Testamenta Vaovao: ao amin’ny [[Filazantsara araka an'i Jaona|Filazantsaran’i Jaona]] (Jao. 1.41 sy Jao. 4.25).
 
Mino ny Kristiana fa voalazan’ny mpaminany fa ny Mesia dia hateraka ao [[Betlehema]] (Mika 5.1), hateraky ny zazavavy (Is. 7.14), hatao hoe "Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana" (Is. 9.5) sady taranak’i Davida (Sal. 89.4).
 
Misy fitoviana amin’nyny ao amin’ny Isaia (Is. 53) ny amin'ny tantaran’ny fijalian’i Jesoa araka ny hita ao amin’ireo [[Filazantsara]]. Efa voalaza mialoha ao amin’ny Isaia (Is. 53.10) koa ny fijaliany: <small>"Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany." (na: "Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.") (''Ny Baiboly'')</small>.
 
=== Filazànan’ny Testamenta Vaovao ===
Araka ny voalaza ao amin’ireo [[Filazantsara synoptika|Filazantsara telo voalohany]] ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] sy Marika[[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]] ary [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]]), nambaran’ny [[anjely]] fony izy mbola tany an-kibon’i Maria ny maha-Mesia an’i Jesoa (Mat. 1.20-23), toy izany koa tamin’ny nahaterahany (Lio. 2.9-14) sy tamin’ny fanaovam-[[batisa]] azy (Mar. 1.11). Neken’ireo [[demony]] izany maha-Mesia an’i Jesoa izany (Lio. 4.41) sady ninoan’i Petera sy i Jesoa tenany koa (Mat. 16.16-17). Ny Filazantsara araka an’i Marka (Mar. 14.61-64) dia mitantara ny naneken’i JesosyJesoa ny maha-Mesia ny tenany sady maneho koa fa izany no antony namonoana azy.
 
Ny [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan’i Joany]] dia milaza momba ny hiverenan'i Jesoa indray (Apo. 19.11-13): <small>11 Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atao hoe Ny Tenin'Andriamanitra.</small>
 
== Jereo koa: ==
* [[Kristy]]
* [[Jesosy|Jesoa]]
* [[Mesianisma]]
 
== Tsiahy ==
Ny Apokalipsan’i Joany dia milaza momba ny hiverenan'i Jesoa indray (Apo. 19.11-13): <small>11 Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atao hoe Ny Tenin'Andriamanitra.</small>