Mikaela (arkanjely): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanova endri-tsoratra sy nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanafohy zana-dohateny
Andalana faha-31:
=== Araka ny lovantsofina na ny fivoasana isan’antokom-pinoana ===
 
==== Araka ny fiangonana tandrefana sy ny Katolikakatolika romana ====
[[Sary:Jacopo vignali, san michele arcangelo libera le anime del purgatorio.jpg|vignette|264x264px|''Ny arikanjely Mikaela manafaha ny fanahin'ny maty avy ao amin'ny Afo fandiovana'' - nataon'i Jacopo Vignali, taonjato faha-17.]]
I Mikaela dia manana anjara asa efatra: Izy no mpitarika ny tafik’Andriamanitra izay mandresy ny herin’ny Afobe sady anjely modely amin’ny ady ara-panahy. I Mikaela no ilay anjelin’ny fahafatesana izay mitondra ny fanahin’ny maty mankany an-danitra. Mandanja amin’ny mizàna ny fanahin’ny olombelona koa i Mikaela amin’ny fitsarana. Izy no mpiaro manokana ny Vahoaka Voafidy tao amin’ny Testamenta Taloha fa mpiaro ny Eglizy kosa izy amin’izao no mpiaro tanana maro sady mpiaro ny tafika tamin’ny [[Andro Antenantenany]]. Misy noho izany ny vavaka atao hangatahana ny fiarovan’i Md. Misely sy ny sapole amin’ny anarany.
 
==== Araka ny fiangonana tatsinanana sy ny katolika ortodoksa ====
Mivavaka amin’i Mikaela sy amin’i Gabriela ny Ortodoksa mba hahazo fiarovana aminy. Tanàna maro any atsinanana no manana an’i Mikaela ho mpiaro manokana. Maro ireo hiram-pivavahana andrenesana ny anaran’i Mikaela sy ireo sarivongana maneho azy. Mpanelanelana masina koa izy ka mitondra ny vavaky ny mpino eo anatrehan’Andriamanitra.