Filazantsara araka an' i Marka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra ny pejy amin'ny fizaràn'ny boky
Andalana faha-4:
== Fiforonan-teny ==
Ny hoe ''Filazantsara araka an'i Marka'', na ''Evanjely araka an'i Marka'', dia fanagasiana ny teny grika hoe ''Kατὰ Μάρκον εὐαγγέλιον'' izay vakina hoe ''Kata Markon euangélion''. Amin'ny teny latina dia ''Evangelium secundum Marcum'' no iantsoana azy.
 
== Fizaràn'ny boky ==
Azo zaraina telo lehibe ny Filazantsaran’i Marka ka ny fizaràna tsirairay dia mbola azo tsinjaraina maro. Mahakasika an’i Jesosy tany Galilia ny fizaràna voalohany, ny fizaràna faharoa dia mikasika ny asa sy tenin’i Jesosy tany ivelan’i Galilia, ary momba ny herinandro farany nandalovan’i Jesoa tao Jerosalema ny fizaràna fahatelo.
 
=== I Jesoa tany Galilia (Mar''.'' 1.1 - 7.23) ===
 
==== Ny fisehoan’i Jesosy voalohany (Mar. 1.1-45) ====
* I Jaona mpanao batisa sy ny nanaovany batisa an’i Jesoa (1.1-11)
 
* I Jesoa tany an-tany efitra (1.12-13)
 
* Ny nanombohan’i Jesoa ny asany (1.14-15)
 
* Ny niantsoan'i Jesoa ny mpianany efatra voalohany (1.16-20)
 
* I Jesoa tany Kapernaomy nanasitrana demoniaka (1.21-28)
 
* Ny nanasitran'i Jesoa ny rafozambavin'i Simona sy olona hafa (1.29-34)
 
* Ny fitetezan'i Jesoa an'i Galilia (1.35-39)
 
* Ny nanasitranan'i Jesoa ilay boka (1.40-45)
 
==== Ny tsy fankasitrahan’ny mpanohitra an’i Jesoa (Mar. 2.1-3.6) ====
* Ny nanasitranana ilay olona malemy (2.1-2.12)
 
* Ny niantsoan'i Jesoa an'i Levy (2.13-14)
* Niara-nisakafo tamin'ny mpanota i Jesoa (2.15-17)
* Tsy nifady hanina ny mpianatr’i Jesoa (2.18-22)
* Ireo salohim-bary notazana tamin’ny andro sabata (2.23-28)
* Ny nanasitranan'i Jesoa ilay maty tanana tamin’ny andro Sabata (3.1-6)
* Ny fanasitranana nataon’i Jesoa teo amoron-dranomasina (3.7-12)
 
==== Ny fianakaviana sy ny mpianatr’i Jesoa (3.13-35) ====
* Ny fiantsoana ireo Apostoly roa ambin’ny folo (3.13-19)
* Ireo fianakavian'i Jesoa (3.20-21)
* Ny fanaratsian'ny mpanora-dalàna an'i Jesoa (3.22-30)
* Ny tena fianakavian’i Jesoa (3.31-35)
 
==== Ireo fanoharana efatra (Mar. 4.1-34) ====
* Ny fanoharana ny amin’ny mpamafy (4.1-9)
* Ny antony ampiasan'i Jesoa fanoharana (4.10-12)
* Ny fanazavan'i Jesoa ilay fanoharana ny amin’ny mpamafy (4.13-20)
* Ny fanoharana ny amin’ny jiro saromana vata famarana (4.21-25)
* Ny fanoharana ny amin'ny voa naniry ho azy (4.26-29)
* Ny fanoharana ny amin'ny voantsinapy (4.30-32)
* Ny teny amehezan’i Jesosy ny lanjan’ireo fanoharana (4.33-34)
 
==== Ireo fahagagana hafa nataon’i Jesoa (Mar. 4.35-5.43) ====
* Ny nampitsaharan'i Jesoa ny tafio-drivotra mahery (4.35-41)
* Ilay olona azon'ny devoly tany Gergesà / Gerasena (5.1-20)
* Ilay vehivavy nitsi-dra sy ny fananangana ny zanak’i Jairo tamin’ny maty (5.21-43)
 
==== Ny fandavana an’i Jesoa sy ny fanambarany ny hahafatesany (Mar. 6.1-6.29) ====
* Ny fitsidihan’i Jesoa an’i Nazareta sy ny fandavana azy tao (6.1-6)
* Ny nanirahan’i Jesoa ireo Apostoly (6.7-13)
* Ny nahafatesan’i Jaona mpanao batisa (6.14-29)
 
==== Ireo fahagagana nataon’i Jesoa (6.30-56) ====
* Ny fampitomboan’i Jesoa ny isan’ny mofo ho an’olona dimy arivo (6.30-44)
* Ny nandehanan’i Jesoa teny ambony rano (6.45-52)
* Ireo fanasitranana nataon’i Jesoa tany Genesareta (6.53-56)
 
==== Ireo adihevitra isan-karazany (7.1-23) ====
* Ny adihevitra momba ny fampianaran’ny razana (7.1-13)
 
* Ny amin’ny fampianarana ny madio sy ny maloto (7.14-23)
 
=== I Jesoa tany ivelan'i Galilia (Mar. 7.24 - 10.52) ===
 
==== Ireo fahagagana nataon’i Jesoa (7.24-8.10) ====
* Ny fanasitranana ny zanakavavin’ilay vehivavy Foenisiana (7.24-30)
* Ny nanasitranan’i Jesoa ilay moana marenina (7.31-37)
* Ny nanamaroan’i Jesoa ny mofo ho an’olona efatra arivo (8.1-10)
 
==== Adihevitra tamin’ireo Fariseo (8.1-21) ====
* Ny nangatahan’ny Fariseo famantarana tamin’i Jesoa (8.11-13)
 
* Ny masirasiran’ny Fariseo sy ny an’i Heroda (8.14-21)
 
==== Ireo fahagagana nataon’i Jesoa sy ny hahafatesany (8.22-26) ====
* Ny fanasitranan’i Jesoa ny jamba tao Betsaida (8.22-26)
* Ny fiaikem-pinoan’i Petera ny amin’i Jesoa (8.27-30)
* Ny fanambaran’i Jesoa voalohany ny hijaliany sy ny hahafatesany (8.31-33)
* Ny fepetra hanarahana an’i Jesoa (8.34-9.1)
* Ny fiovan-terehin’i Jesoa teo an-tendrombohitra (9.2-8)
* Ny fanontaniana ny amin’i Elia (9.9-13)
* Ny nanasitranan’i Jesosy an’ilay mararin’ny androbe (9.14-29)
* Ny nanambaran’i Jesoa ny hijaliant sy ny hahafatesany (9.30-32)
 
==== Ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanarahana an’i Jesoa (9.33-10.12) ====
* Ny lehibe indrindra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra (9.33-37)
* Ny fampiasana ny anaran’i Jesoa (9.38-40)
* Ny hatao amin’izay tia na mankahala ny mpianatr’i Jesoa (9.41-42)
* Ny fanafintohinana (9.43-50)
* Ny amin’ny fisaraham-panambadiana (10.1-12)
* Ny nitsofan’i Jesoa rano ny ankizy madinika (10.13-16)
 
==== Ireo resaka nataon’i Jesoa teny an-dalana mankany Jerosalema (Mar. 10.17-31) ====
* Ilay lehilahy mpanakarena (10.17-22)
* Ny loza azo avy amin’ny harena (10.23-27)
* Ny valisoa ho azon’izay mahafoy harena (10.28-31)
* Ny fanambaràn’i Jesoa fanintelony ny hijaliany sy ny hahafatesany (10.32-34)
* Ny fangatahan’i Jakoba sy i Jaona zanak’i Zebedio (10.35-40)
* Ny lehibe tsy maintsy manompo (10.41-45)
* Ny nanasitranan’i Jesoa an’i Bartimeo jamba (10.46-52)
 
=== '''I Jesoa tany Jerosalema (Mar. 11.1 - 13.36)''' ===
 
==== Ny nanadiovan’i Jesoa ny tempoly (11.1-33) ====
* Ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema (11.1-11)
* Ilay aviavy tsy namoa (11.12-14)
* Ny nandroahan’i Jesosy ireo mpivarotra tao an-tempoly (11.15-19)
* Ny lesona avy amin’ilay aviavy maina (11.20-26)
* Ny fanontaniana ny amin’ny fahefan’i Jesoa (11.27-33)
 
==== Ny fanontanian’ireo Fariseo sy ny fitsikeran’i Jesoa azy (12.1-44) ====
* Ny fanoharana ny amin’ny mpamboly voaloboka ratsy fanahy (12.1-12)
* Ny amin’ny hetra aloa ho an’i Kaisara (12.13-17)
* Ny fitsanganan-ko velona (12.18-27)
* Ny didy lehibe indrindra (12.28-34)
* I Kristy – zanak’i Davida nefa Tompony koa (12.35-37)
* Ny fanamelohan’i Jesoa ny fariseo sy ny mpanoradalàna (12.38-40)
* Ny rakitr’ilay vehivavy mpitondratena (12.41-44)
 
==== Ny nilazan’i Jesoa ny amin’ny zavatra hiseho amin’ny andro farany (13.1-37) ====
* Ny nilazan’i Jesoa ny amin’ny haharavan’ny Tempoly (13.1-2)
* Ny toriten’i Jesoa ny amin’ny andro farany (13.3-4)
* Ny fiandohan’ny fahoriana (13.5-13)
* Ny fahoriana hihatra amin’i Jerosalema (13.14-23)
* Ny hisehoan’ny Zanak’olona amim-boninahitra (13.24-27)
* Ny fanoharana ny amin’ny aviavy (13.28-32)
* Ny fampiambenana nataon’i Jesoa (13.33-37)
 
=== Ny fijalian’i Jesoa sy ny fitsanganany ho velona (Mar. 14.1-16.19) ===
 
==== Ny fiomanan’i Jesoa amin’ny fisamborana sy ny famoniana azy (14.1-42) ====
* Ny teti-dratsy hamonoana an’i Jesoa (14.1-2)
* Ny nanosoran’ilay vehivavy menaka an’i Jesoa tao Betania (14.3-9)
* I Jodasy sy ireo lohan’ny mpisorona (14.10-11)
* Ny fanomanana ny sakafon’ny Paska (14.12-16)
* Ny nanambaràn’i Jesoa izay  hamadika azy (14.17-21)
* Ny sakafo harivan’ny Tompo (14.22-25)
* Ny nilazan’i Jesoa mialoha ny handavan’i Petera azy (14.26-31)
* I Jesoa tao Getsemane nivavaka (14.32-42)
 
==== Ny fisamborana sy ny fitsarana ary ny fanomboana an’i Jesoa (14.43-15.47) ====
* Ny nisamborana an’i Jesoa (14.43-52)
* I Jesoa teo anatrehan’ny Sinedriona (14.53-65)
* Ny nandavan’i Petera an’i Jesoa (14.66-72)
* Ny nanadinan’i Pilato an’i Jesoa (15.1-5)
* Ny nanamelohana ho faty an’i Jesoa (15.6-15)
* Ny nampisatrohana tsilo an’i Jesoa (15.16-19)
* Ny lalan’ny hazofijaliana (15.20-22)Ny namantsihana an’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana (15.23-32)
 
==== Ny nahafatesan’i Jesoa sy ny nandevenana ary ny nitsanganany ho velona (16.1-20) ====
* Ny nahafatesan’i Jesoa (15.33-41)
* Ny nandevenana an’i Jesoa (15.42-47)
* Ny nitsanganan’i Jesoa ho velona (16.1-8)
* Ny nisehoan’i Jesoa tamin’i Maria Magdalena (16.9-11)
* Ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra roa (16.12-13)
* Ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany iraika ambin’ny folo (16.14-18)
* Ny niakaran’i Jesoa any an-danitra (16.19-20)
 
== Jereo koa ==