Ady Lehibe Faharoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
/* Fahatongavana any amin'ny ady *
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-7:
Ireo Mitranga eny amin'ny zanatanin'ny firenena eoropeanina ihany koa ny ady. Ao ny fanafihan'ny alemanina an'i Libia, ny fanafihan'ny britanika ny firenena ao Afovoany Atsinanana ary koa ny fanafihany an'i madagasikara tamin'ny 5 Mey 1942.'''Texte gras '''
 
À
== Fahatongavana any amin'ny ady ==
Ny nahatonga ny fahatongavan'ny ady lehibe faharoa tao Eoropa dia ny tsifahafaham-pon'ny alemanina tamin'ny fifanarahana tao Versailles (1919), ary ny krizy tamin'ny 1929 izay nampaharatsy ny toe-javatra ara-toe-karen'ny firenena vao miarina amin'ny [[Ady Lehibe Voalohany]]. Betsaka ireo vola voatery naloan'i Alemaina ho fanatambazana ny Mpiray Dina ([[Angletera]], [[Frantsa]], [[Rosia]], [[Etazonia]]). Very noho io fifanarahana io ihany koa ny zanatany alemanina tao [[Afrika]].
 
Niverina ho amin'i Frantsa ny singam-paritanin'i [[Alsace]] sy [[Moselle]] ([[Lorraine]]) izay nozanahan'i Bismarck taorian'ny ady tamin'ny 1870.
Niharan'ny ady an-trano i Rosia noho ny revolisiona Bolshevik. Taorian'io revolisiona io dia niongana ny fanjakan'ny Tsar.
 
Ny firenena telo nifanaiky ([[Alemaina]], [[Aotrisy-Hongaria]], [[Italia]], [[Empira Otomana]]) dia samy very tany avy. Maro amin'ireo faritra atsinanan'i Alemaina no very, ireo foko tao amin'ny Empiran'i Aotrisy-Hongaria ihany koa dia lasa samy nomena fahaleovantena, ny Tanin'ny Empira Otomana dia nozarazarain'ny firenena mpandresy, afatsy Torkia izay nahazo ny fahaleovantenany. Niongana ny Empira Alemàna ary natsangana ny [[Repoblikan'i Weimar]].
 
Ny krizy ara-toe-karena tamin'ny 1929 dia vokatry ny famokarana be loatra, izay nampidina ny vidin-javatra ary nampitontongona ny toe-karena amerikanina. Ny fampodiana ny fampiasam-bola amerikanina lehbe tany Alemaina dia nampitontongana ihany koa ny toe-karena alemàna izay nampahamafy kokoa ny krizy efa tonga tao Eoropa.
Maro ireo firenena eoropeana nandray fepetra ary niezaka hanoherana ny vokatry ny krizy, toa ny ''[[New Deal]]'' amerikanina. Nampamora ny fiakaran'ireo sôsialista nasiônalista (Nazi) teo am-pahefana ny krizy ara-toe-karena tao Alemaina ary Italia. Nanohana ny asa tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo tsy an'asa amin'ny indostria ara-tafika sy tamin'ny tetikasa lehibe ireo firenena roa ireo.
 
Ny toe-javatra ara-toe-karena ary ny fanetrena niainan'ireo firenena resy tamin'ny Ady Lehibe Voalohany no nahatonga ireo firenena ireo hiala amin'ny SDN ary hanamafy ny tafiny hamaliana ny hitsaka.
== Mpiady ==
=== Mpikambana ao amin'ny aksisy ===