Boky voalohan' ny Mpanjaka: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nampiditra endrika
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
Ny '''Boky voalohan’ny Mpanjak'''a na '''Mpanjaka voalohany''' dia boky ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona ho mpanjaka , ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa, ny fahotan'ireo mpanjaka ary ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana izany.
[[Sary:Salomons dom.jpg|vignette|''Ny fitsaran'i Solomona,'' nataon'i Pierre Paul Rubens, 1617]]
Raha mbola tsy maty i [[Davida (Baiboly)|Davida]] dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Solomona (na Salomona) ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Solomona tamin'ny naha-mpanjaka azy ka ho setrin’izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ny nahafatesany. Ny tapany avaratra dia natao hoe Fanjakan’i Joda fa ny ilany atsimo kosa dia natao hoe Fanjakan’i Israely (na Fanjakan’i Samaria). Ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ny boky dia tsaraina amin’ny fifikirany na tsia amin’Andriamanitra.
 
Misongadina ao amin’io boky io ny firotsahan’ny mpaminany Elia sy Elisa ary ny mpaminany hafa an-tsehatra hampanjaka ny Lalàn’i [[Yahweh]], dia lalàna mifehy ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana ary ny fitondran-tena. Nanohitra ireo mpanjaka ratsy toa an’i Ahaba sy ny mpanjakavavy Jezebela i Elia tany amin’ny Fanjakan’i Israely. Nampisongadina ny maha-tokana an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra marina, ireo mpaminany, indrindra fa i Elia. Nifaninana tamin’ny mpaminanin’i Bala, andriamanitra tsy izy, i Elia ka naharesy azy ireo raha samy nanao sorona. Tsy tantara ihany no hita ao amin’ny Bokin’ny Mpanjaka fa misy faminaniana koa.
Andalana faha-21:
- Lasa mpanjaka i Solomona (1.1-53)
 
- Teny farany nataon’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] (2.1-12)
 
- Nandray ny fitondrana ny fanjakana i Solomona (2.13-46)
Andalana faha-28:
- Ny fahendren’i Solomona (3.1 – 4.34)
 
- Ny nanorenan’i Solomona ny Tempoly tao [[Jerosalema]] (5.1 – 8.66)
 
- Ireo zavatra hafa niseho nandritra ny fitondran’i Solomona (9.1 – 10.29)
Andalana faha-41:
- Nanameloka an’i Jeroboama ny mpaminany (13.1 – 14.20)
 
- Ireo mpanjakan’i Joda sy ny an'i Israely (14.21 – 16.34)
2.4.
 
=== Ny amin’ny mpaminany Elia (17 – 22) ===