Bokin' i Rota: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy endrika
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Philip Hermogenes Calderon - Ruth and Naomi.jpg|vignette|240x240px|''Rota sy Naomy'', nataon'i Philip Hermogenes Calderon]]
Ny '''Bokin’i Rota''' dia boky ao amin’ny [[Testamenta Taloha]], ao amin’ny [[Baiboly]], sy ao amin’ny boky masin'ny jiosy[[Tanakh]]. Mitantara ny fiainan’ny fianakaviana iray tamin’ny andron’ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’i [[Davida (Baiboly)|Davida]] mpanjaka.
 
Avondrona ao amin’ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly kristiana fa isan’ireo atao hoe Ketuvim (« soratra ») kosa ao amin’ny boky masina hebreo Tanakh. Atao hoe ''Megilath Ruth'' (« horona-bokin’i Rota ») io boky io ao amin’ny Tanakh.