Baiboly amin' ny teny malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-1:
Ny '''Baiboly malagasy''' dia [[Baiboly]] voasoratra amin'ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] ampiasain'ny [[Fiangonana ao Madagasikara|fiangonana]] mampiasa ny teny malagasy amin'ny fotoam-pivavahana, indrindra fa ny eto [[Madagasikara]]. Amin'izao fanombohan'ny taonjato fahiraika amby roapolo izao dia maro ny dikantenin'ny Baiboly amin'ny teny malagasy azo vakina sady samy manana ny mampiavaka azy.
[[Sary:Malagasy bible.png|vignette|Baiboly malagasy voalohany]]
 
Andalana faha-11:
Ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy dia fandikana ny Baiboly ampiasain'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara|fiangonana protestanta malagasy]] sy ireo [[Fiangonana zandriny|fiangonana lazaina hoe zandriny]]. Misy sokajy roa lehibe anefa ireo dikanteny ireo: ireo dikanteny tranainy mbola ampiasaina amin'izao fotoana izao izay ahitana ny anaran'Andriamanitra hoe ''Jehovah'' sy ilay Baiboly tsy ahitana an'io anarana io. Ny anaran'ny Baiboly protestanta dia '''''Ny Baiboly'''''.
 
Miavaka amin'ny Baiboly katolika ny Baiboly protestanta amin'ny tsy fahitana ao aminy ireo [[boky apokrifa]] na deoterôkanônikan'ny TestamentaT[[estamenta Taloha]]. Tsy mampiasa tsindrimpeo io dikanteny protestanta tranainy io raha manoratra ny anaran'olona na anaran-toerana na anaram-boky. Ny anarana mponina dia tsy miafara amin'ny hoe -''nina'' (Ohatra : ''Romana'' na ''Korintiana'' fa tsy ''Rômanina'' na ''Kôrintianina'').
 
Ireto avy ny anaran'ireo boky ao amin'ny Testamenta Taloha: ''Genesisy'', ''Eksodosy'', ''Levitikosy'', ''Nomery'', ''Deoteronomia Josoa, Mpitsara, Rota, Samoela voalohany, Samoela faharoa, Mpanjaka voalohany, Mpanjaka faharoa, Tantara voalohany, Tantara faharoa, Ezra, Joba, Salamo, Ohabolana, Mpitoriteny, Tononkiran'i Solomona, Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela, Fitomaniana, Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria ''ary ''Malakia''.
Andalana faha-27:
 
=== Baiboly DIEM ===
Ny [[Baiboly DIEM]] (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) dia vokatry ny fandikan-teny niarahan'ireo mpandika teny malagasy avy amin'ny fiangonana maro eto Madagasikara. Misy fahasamihafany amin'ny Baiboly protestanta sy ny Baiboly katolika izy raha ny amin'ny anaran'olona sy ny anaran-tany ary ny anaran'ny boky ao amin'ny Baiboly no asian-teny. Sady mikendry ny Ekomenisma izy io no mikendry ny hahazoan'ny mpiteny malagasy ankehitriny ny tian'Andriamanitra ho lazaina. Izany no antony ampiasan'ny mpandika teny ny teny malagasy tenenina sy soratana amin'izao taonjato izao. Mihevitra ny mpandika teny fa maro amin'ireo teny tranainy no efa tsy azon'ny mpamaky intsony ny heviny na koa efa niova hevitra. Ny anaram-boky milaza anarana mponina miafara amin'ny hoe -''na'' ao amin'ny Baiboly protestanta dia miafara amin'ny -''nina'' ao amin'io Baiboly io (ohatra : ''Romanina'' fa tsy ''Romana''). Ampiasaina indrindra io dikan-teny io amin'ny vavaka iraisam-pinoana ataon'ireo fiangonana miray ao amin'ny FFKM.
 
=== Baibolin'ny Vavolombelon'i Jehovah ===
Ny Baibolin'ny [[Vavolombelon'i Jehovah eto Madagasikara|Vavolombelon'i Jehovah]] dia fandikan-teny ny Baiboly manakaiky ny dikan-teny protestanta tranainy raha ny anaran'ny boky tsirairay sy ny anaran'ny olona ary ny anaran'ny tanàna voalaza ao amin'ny Baiboly no jerena. Atao hoe '''''[[Ny Soratra Masina - Fandikan-Tenin'ny Tontolo Vaovao]]''''' ny anaran'io Baiboly io. Notazoniny ny fampiasana ny teny hoe ''Jehovah''. Misy ny andalana tsy azoazon'ireo mihevitra fa nataon'ny mpandika teny izay tsy hahitana intsony ny maha Andriamanitra an'i Jesoa Kristy. Ny anaram-boky milaza anarana mponina miafara amin'ny hoe -''na'' ao amin'ny Baiboly protestanta dia miafara amin'ny -''nina'' ao amin'io Baiboly io (ohatra : ''Romanina'' fa tsy ''Romana''). Ny Testamenta Taloha dia ataony hoe "''Soratra Hebreo sy Aramianina"'' fa ny Testamenta Vaovao kosa "''Soratra Grika Kristianina"''.
 
Ireto avy ny anaran'ny boky ao amin'ny Soratra Hebreo sy Aramianina: ''Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia, Josoa, Mpitsara, Rota voalohany, Samoela voalohany, Samoela voalohany, Mpanjaka voalohany, Mpanjaka faharoa, Tantara voalohany, Tantara faharoa, Ezra, Nehemia, Estera, Joba, Salamo, Ohabolana, Mpitoriteny, Tononkiran’i Solomona, Isaia, Jeremia, Fitomaniana, Ezekiela, Daniela, Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria'' ary ''Malakia''.