Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-14:
=== Ny fanoratana ny boky araka ny fikarohana ankehitriny ===
Ny sasany amin'ny mpikaroka momba ny Baiboly dia milaza fa fitambarana soratr'olona samihafa sady avy amina loharano samihafa ny Bokin'i Josoa. Toy izao ny fisehon'izany ara-potoana:
# Fanoratana voalohany izay ahitana indrindra ny toko voalohanayvoalohany hatramin'ny toko faha-12 tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K., tamin'ny andron'ny mpanjaka Josia.
# Fanampiana lahatsoratra deoteronomista tamin'ny taonjato faha-6 sy faha-5 tal. J.K.
# Fanampiana lahatsoratra momba ny asan'ny mpisorona indrindraindrindra tamin'ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. (Toko 3-5; 20-22; 24).
Andalana faha-24:
=== Ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany Kanana (Jos. 1 - 12) ===
[[Sary:Tissot The Taking of Jericho.jpg|vignette|''Ny fakana ny mandan'i Jeriko'', nataon'i James Jacques Joseph Tisso]]
Ny fizaràna voalohany izay mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra azy, dia ny tany Kanana. Betsaka ireo tanàna azon'ny Israelita noho ny fanampian'Andriamanitra azy ka ny sasany amin'izany dia azo tamin'ny fomba [[Fahagagana|mahagaga]]. Ohatra amin'izany ny nandrodanana ny mandan'i [[Jeriko]] (na Jerikao) tamin'ny alalan'ny fitsofana trompetra, ny nampijanonan'Andriamanitra ny [[masoandro]] sy ny [[volana]] mba hanohizan'ny Israelita ny ady ka handreseny, ny nandatsahan'Andriamanitra [[havandra]] handripaka ny miaramilan'ireo firenena fahavalo, sns. Io fizaràna io ihany koa no maneho fa tsy manampy ny Zanak'i Israely Andriamanitra rehefa tsy manaja ny Fanekem-pihavanana izy ireo. Izany, ohatra, no naharesy azy tamin'ny ady nataony tao Ay (na Hay) (Jos. 7.1-12).
 
=== Ny fizaràna ny tany tamin'ireo fokon'i Israely (Jos. 13 - 21) ===
Amin'ity fizaràna ity no ilazana ny foko roa ambin'ny folo sy ny antsipiriany momba ny anjara tany nomena azy ireo tsirairay. Nisy ny foko izay efa nahazo ny anjarany tamin'i [[Mosesy]] (na Môizy) talohan'ny nidirana tao Kanana. Ambara ao koa ny fomba nizarana ny tany, dia ny fanaovana antsapaka. Nisy koa ny fanokanana tanàna fialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy. Ny [[Levita]] ihany no tsy nahazo anjara tany manokana fa nomena tanàna manerana ny foko hafa rehetra.
 
=== Ny hafatra farany nataon'i Josoa (Jos. 21 - 24) ===