Testamenta Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-3:
 
== Fiforonan-teny ==
Ny andian-teny hoe Testamenta Taloha dia fandikana sy fanagasiana ny teny latina hoe ''Vetus Testementum''. Io andian-teny io indray dia fandikàna ny teny grika hoe ''Παλαιὰ Διαθήκη'' / ''Palaià Diathêkê.'' Ny hoe ''palaià'' (grika) sy ny hoe ''vetus'' (latina) dia samy azo adika hoe "antitra", "taloha" na "tranainy" ary ny hoe ''testamentum'' (latina) na ''diathêkê'' (grika) dia midika hoe "fanekena", "fifanarahana", "fanekem-pihavanana". Ny Testamenta Taloha izany dia ny Baibolin'ny Jiosy na Jody, izay antsoinyantsoina hoe ''[[Tanakh]]'' na ''Thanak''.
 
Ho an'ny [[Kristianina|Kristiana]], ny Baiboly dia fitambaran'ny Testamenta Taloha sy ny [[Testamenta Vaovao]] dia mitambatra ho Baiboly kristiana.
 
== Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ==
Misokajy efatra ny boky ao anatin'ny Testamenta Taloha, dia ny Pentateoka (atao hoe koa Boky dimin'i Mosesy), ny bokin-tantara (na boky ara-tantara), ny bokim-pahamasinana, ary ny bokin'ireo Mpaminany. Manampy an'ireo ny boky atao hoe Deoterôkanônika izay tsy tafiditra ao amin'ny TorahTanakh sy ao amin'ny Baiboly protestanta. Marihina fa telo fotsiny ny fizaràna ny [[Tanakh|Baiboly jiosy]] fa tsy efatra.
 
=== Ny boky dimin'i Mosesy ===
Ireo atao hoe "[[Boky dimin'i Mosesy]]", na Boky dimin'i Môizy na Pentateoka (avy amin'ny teny grika ''pente'': "dimy" sy ''teukhos'': "horonana"), izay antsoina koa hoe Lalàna (Lalàn'i Mosesy), ataon'ny Jiosy hoe Torah, dia ny ''[[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]'' (na ''Jenezy''), ny ''[[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]'' (na ''Eksaody''), ny ''[[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]'', (na ''Levitika''), ny ''[[Bokin'ny Nomery|Nomery]]'' (na ''Fanisana''), ary ny ''[[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]]'' (na ''Deoterônômy'').
 
=== Ny bokin-tantara ===
Ny bokin-tantara na boky ara-tantara dia ny ''[[Bokin'i Josoa|Josoa]]'' (na Jôsoe), ny ''[[Bokin'ny Mpitsara|Mpitsara]]'', ny ''[[Bokin'i Rota|Rota]]'', ny [[Boky voalohan'i Samoela|''Samoela'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan'ifaharoan’i Samoela|''Samoela'' ''faharoa'']], ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|''Mpanjaka'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|''Mpanjaka'' ''faharoa'']], ny [[Boky voalohan'ny Tantara|''Tantara'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan'ny Tantara|''Tantara'' ''faharoa'']], ny ''[[Bokin'i Ezra|Ezra]]'' (na ''Esdrasa''), ary ny ''[[Bokin'i Nehemia|Nehemia]]''. Ny Baiboly katolika dia ahitana boky fanampiny:ary ny ''[[Bokin'i Estera|Estera]].'', Ny Baiboly katolika dia ahitana boky fanampiny: ny ''[[Bokin'i Tobià|Tobià]]'', ny ''[[Bokin'i Jodita|Jodita]]'' ary ny [[Boky voalohan'i Makabeo|''Makabeo'' voalohany]] sy [[Boky faharoan'i Makabeo|faharoa]] izay ataon'ny Katolikaatao hoe ''deoterôkanônika'' (izany hoe "boky kanônika faharoa") nefa ataon'ny Protestanta hoe ''apokrifa'' ("miafina").
 
=== Ny bokim-pahamasinana ===
Ny bokim-pahamasinana, atao hoe koa Hagiografa, dia ny ''[[Bokin'i Joba|Joba]]'' (na ''Jôba''), ny ''[[Bokin'ny Salamo|Salamo]]'', ny ''[[Bokin'ny Ohabolana|Ohabolana]]'', ny''[[Bokin'ny Mpitoriteny|Mpitoriteny]]'' (na ''Kôhelety''), ary ''[[Tononkiran'i Solomona]]'' (''Tononkira dia Tononkira'' na ''Tononkira Fanaperana''). Ny Baiboly Katolika dia mbola ahitana ny ''Fahendren'i SolomonaSalômôna'' (na ''Fahendrena'') sy ny ''Ekleziastika'' (na ''Siràka'') izay boky deoterôkanônika na apôkrifa.
 
=== Ny bokin'ireony Mpaminany ===
Ny bokin'ny Mpaminany dia misy sokajy roa, dia ny ireo bokin'ny mpaminany lehibe sy ny mpaminany madinika.
 
==== Mpaminany lehibe ====
Efatra ny mpaminany lehibe, dia ny ''[[Bokin'i Isaia|Isaia]]'' (na ''Izaia''), ny ''[[Bokin'i Jeremia|Jeremia]]'', ny ''[[Bokin'i Ezekiela|Ezekiela]]'', ny ''[[Bokin'i Daniela|Daniela]]'', manampy azy ireo ny [[Bokin'ny Fitomaniana|Bokin'ny ''Fitomaniana'']]. Atao hoe "mpaminany lehibe" izy noho izy nanoratra lava miohatra amin'ny sasany izay atao hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly katolika dia ahitana ny ''Baroka'' izay boky deoterokanonikadeoterôkanônika na apokrifa.
 
==== Mpaminany madinika ====
Roa ambin'ny folo ny mpaminany madinika, dia : ny ''[[Bokin'i Hosea|Hosea]]'' (na ''Ôsea''), ny ''[[Bokin'i Joela|Joela]]'' (na ''Jôela''), ny ''[[Bokin'i Amosa|Amosa]]'' (na ''Amôsa''), ny ''[[Bokin'i Obadia|Obadia]]'' (na ''Abdiasa''), ny ''[[Bokin'i Jona|Jona]]'' (na ''Jônasa''), ny ''[[Bokin'i Mika|Mika]]'' (na Mikea), ny ''[[Bokin'i Nahoma|Nahoma]]'', ny ''[[Bokin'i Habakoka|Habakoka]] (na Habakòka)'', ny ''[[Bokin'i Zefania|Zefania]]'' (na ''Sôfônia''), ny ''[[Bokin'i Hagay|Hagay]]'' (na Akjea), ny ''[[Bokin'i Zakaria|Zakaria]]'' ary ny ''[[Bokin'i Malakia|Malakia]]'' (na ''Malaký''). Atao hoe "mpaminany kely" izy ireo noho izy nanoratra kely.
 
Ireo boky fanampiny ao amin'ny Baiboly Katolika no ataon'ny Katolika hoe Deoterôkanônika ("kanôna faharoa") na ny Protestanta hoe Apokrifa ("miafina"). Ireo boky ireo dia tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo sy Protestanta. Manampy azy ireo ny toko fanampiny amin'ny ''Estera'' sy ny ''Daniela''.
 
== Jereo koa ==