Boky faharoan' i Samoela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vao foronina momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-15:
Ity fizaràna voalohany ity dia voafaritry ny toko voalohany hatramin’ny faha-12.
 
Niakatra teo amin’ny fitondrana i Davida ka maro ny fandresena azony tamin’ny ady nifanaovany tamin’ireo firenena fahavalon’ny Israelita. Nanenjika azy ahatrany i [[Saoly]] nefa maty tan'ady namono tena tamin'ny farany. Nalahelo i Davida raha nandre ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana. Nohosorina ho mpanjaka tany Hebrona izy. Ny niakaran'i Davida hisolo an'i Saoly dia niteraka ady teo amin'ny tafik'i Davida, mpanjakan'i Joda, sy ny an'i Abnera sy i Isboseta, zanak'i Saoly, mpanjakan'ny fanjakana any avaratra, atao hoe Israely. Rehefa resy ry Abnera sy i Isboseta dia nakamban’i Davida ho fanjakana iray i Israely sy i Joda. Nalain’i Davida tamin’i [[Jebosita]] resiny an’ady i [[Jerosalema]] ka nataony renivohitra. Niady tamin’ny [[Filistina]] koa i Davida ka naharesy azy. Napetrany tao Jerosalema ny [[Fiaran’ny Fanekena]] taty aoriana.
[[Sary:Mei, Bernardino - David and Bathsheba.jpg|vignette|''I Davida sy i Batseba'', nataon'i Mei, Bernardino]]
Nisy koa ny fanafihana ny Amonita ka nandritra ny ady dia nanao zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra i Davida, izay tsy nankany an'ady, tamin’ny nijangajangany tamin’ny vadin’i Oria miaramilany izay nalefany ho faty tany am-bava ady. Niteraka olana maro nandritra ny fitondran’i Davida izany fahotany izany.
 
=== Ireo olana samihafa nosedrain'i Davida ===