Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanitarana ny pejy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy fanatsarana endrika ny zana-dohateny
Andalana faha-11:
Ny lovantsofina jiosy dia milaza fa i [[Josoa]] no nanoratra io boky io. Nampitondraina ny anaran'i Josoa ilay boky satria izy no olona voaresaka betsaka sady manana ny maha izy azy indrindra ao anatiny. I Josoa dia ilay lehilahy nanampy an'i [[Mosesy]] (na Môizy) tamin'ny fitarihana ny Zanak'i Israely avy any Egypta (Ejipta) hankany amin'ny tany Kanana sady lasa mpitarika an'io vahoaka io taorian'ny nahafatesan'i Mosesy.
 
=== Ny tantaran'ny fanoratana ny boky araka ny fikarohana ankehitriny ===
Ny sasany amin'ny mpikaroka momba ny Baiboly dia milaza fa fitambarana soratr'olona samihafa sady avy amina loharano samihafa ny Bokin'i Josoa. Toy izao ny fisehon'izany ara-potoana:
# Fanoratana voalohany izay ahitana indrindra ny toko voalohanay hatramin'ny toko faha-12 tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K., tamin'ny andron'ny mpanjaka Josia.
Andalana faha-27:
Amin'ity fizaràna ity no ilazana ny foko roa ambin'ny folo sy ny antsipiriany momba ny anjara tany nomena azy ireo tsirairay. Nisy ny foko izay efa nahazo ny anjarany tamin'i [[Mosesy]] (Môizy) talohan'ny nidirana tao Kanana. Ambara ao koa ny fomba nizarana ny tany, dia ny fanaovana antsapaka. Nisy koa ny fanokanana tanàna fialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy. Ny [[Levita]] ihany no tsy nahazo anjara tany manokana fa nomena tanàna manerana ny foko hafa rehetra.
 
=== Ny fiafaran'nyhafatra asanfarany nataon'i Josoa sy ny hafatra farany nataony (Jos. 21 - 24) ===
Efa antitra i Josoa tamin'ny nahavitana ny fakàna sy ny fizaràna ny tany Kanana ka nanao hafatra farany ny amin'ny tsy tokony hanaovan'ny Zanak'i Isiraely ny fanaon'ireo firenena manodidina azy sy ny tsy hifangaroany aminy, ny tokony hitandremany ny lalàna, ny fampahatsiahivany ny halehiben'ny herin'Andriamanitra sy ny fanatanterahany ireo fampanantenana izay nataon'Andriamanitra. Nilaza koa i Josoa fa raha misaraka amin'Andriamanitra ny Israelita ka manompo andriamani-kafa dia ho tonga ireo firenena manodidina ka handripaka azy. Nitady ny valin-tenin'ireo Israelita i Josoa mba ho fanamafisana ilay Fanekem-pihavanana eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'i Israely. Nilaza iretsy farany fa hanompo an'Andriamanitra.