Filazantsara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Anaran'ny boky ao amin'ny Baiboly katolika
Andalana faha-1:
Ny '''Filazantsara''' na '''Evanjely''' na '''Vaovao Mahafaly''' dia fitambaran'ny boky efatra ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]], [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]], [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]], [[Filazantsara araka an'i Jaona|Jaona]] (na Joany)) hita ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] ao amin'ny [[Baiboly]], natokana hizaràna amin'ny olona rehetra ny tsara ho fantatra momba ny Fanjakan'Andriamanitra sy i [[Jesosa Kristy|Jesoa Kristy]]. Ny [[Kristianina|Kristiana]] dia mamaky sy mihaino ny Filazantsara satria mino fa hahazo fanampiana amin'ny fiainany manontolo ary hifandray amin'ny Mpahary sy ny voary. Atao hoe [[Evanjelista]] na Evanjelistra ny mpanoratra ny Filazantsara. Amin'ny heviny mivelatra dia ilazana ny [[Testamenta Vaovao]] ihany koa ny teny hoe Filazantsara''filazantsara'' na v''aovao mahafaly''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''filazantsara'' na ''vaovao mahafaly'' dia teny enti-mandika ny teny grika hoe ''εὐαγγέλιον'' / ''euangélion'' izay midika hoe "vaovao tsara", "vaovao mahafaly". Ny hoe ''evanjely'', izay fampiasan'ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara matetika, dia fanagasiana avy hatrany io teny grika io. Vaovao mahafaly ho an'ny Kristiana satria "Tenin'Andriamanitra", manambara ny fanavotana an'izay mibebaka amin'ny fahotany sy mino an'i Jesoa Kristy ho zanak'Andriamanitra.
 
== Fanasokajiana ==
Maro ny filazantsara na evanjely, nefa ny efatra amin'ireo ihany no noraisin'ny Kristiana ho boky mamoronamendrika ny ho hita ao amin'ny Baiboly, ny hafa rehetra izay tsy voaray dia atao hoe apokrifa.
 
Ny Filazantsara efatra dia tsy afangaro amin'ireo boky ao amin'ny Testamenta Vaovao toy ny ''Asan'ny Apostoly'', ireo [[Epistily]] ary ny ''[[Apokalypsin'i Jaona]]'' (na ''Apokalipsan'i Masindahy Joany''). Misokajy roa ny Filazantsara, dia ireo [[Filazantsara synoptika]] (mitovyna fijeryVaovao Mahafaly sinoptika) sy ny Filazantsara araka an'i Jaona (na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Joany).
 
Telo ireo Filazantsara synoptika, dia ny ''Filazantsara araka an'i Matio'' (na ''Filazantsaran'i Matio'') sy ny ''Filazantsara araka an'i Marka'' (na ''Filazantsaran'i Marka'') ary ny ''Filazantsara araka an'i Lioka'' (na ''Filazantsaran'i Lioka'').