Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fanitarana
Andalana faha-9:
=== Fiforonan-teny araka ny fikarohana ankehitriny ===
Misy amin'ny mpikaroka ankehitriny ny mihevitra fa anarana egyptiana fa tsy hebreo ny hoe ''Mosheh''. Ny hoe ''Mosheh'' dia mety ho fanononana hebreo ny tapa-teny egyptiana hoe '''''mss''''' izay midika hoe "zanaka", "miteraka" sns. arakaraka ny fiovaovan'ny zanapeo (zanatsoratra) ampiarahina aminy. Izany dia hita amin'ireo anarana egyptiana maro mitohy amin'ny anaran'ireo andriamanitra egyptiana toy ny hoe ''Dhwty-ms'' vakina hoe ''Djehwtymes'' (izany hoe i Toutmosès) ("zanak'i Djehwty" "zanak'i Thot" na "naterak'i Thot"), ''Ra-mssw'' (Ramsès) ("zanak'i Râ" na "naterak'i Râ"). Mety midika hoe "zanaka" fotsiny izany ny anaran'i Mosesy. Tsy mipetaka eo ny anaran'ilay andriamanitra manjanaka azy.
 
== Tantaran'i Mosesy araka ny Baiboly ==
 
=== Ny fahaterahany sy ny fahazazany ===
Teraka tao Gosena i Mosesy. Zanak'i Amrana sy Iokebeda. Isan'ny fokon'i Levy izy. Tamin'ny fotoana nahaterahany dia nisy fandripahana ny zazalahy hebreo vao teraka. Natsipin-dreniny tany amoron'ny renirano Neily (na Nily) ny lakan-kely zozoro nisy azy mba tsy ho fantatra ny maha zanaka hebreo azy (Eks. 2.4 ; Nom. 26.59). Rehefa tonga handro ny zanakavavin'i Farao dia nahita ilay zaza ka nampaka azy mba hatsangany ho zanaka. Nataony hoe Mosesy ny anarany satria nalainy tamin'ny rano. Ny anabavin'i Mosesy izay nanara-maso azy teny ambony rano ihany no nalain'ilay zanakavavin'i Farao ho mpitaiza azy. Nobeazina toy ny zanaky ny mpanjaka i Mosesy.
 
=== Ny fahalehibeazany ===
Rehefa lehibe i Mosesy dia nahafantatra ny tena firazanany. Nitsidika ny toerana niasan'ny iray firenena aminy izy ka tamin'izany no nahitany ny fanandevozana sy ny fampahoriana nahazo azy ireo. Namono egyptiana nampijaly hebreo teo am-panompoana izy ka izany no nahatonga azy nandositra tany amin'ny tanin'ny Madianita.
 
Tany amin'ny tany efitr'i Madiana i Mosesy no nifankahita tamin'ny mpisorona atao hoe Jetro izay nanome azy ny zananivavy mba ho vadiny. Indray andro raha nankeny amin'ny tendrombohitra Horeba (atao hoe koa Sinay) izy hiandry ny biby fiompin-drafozany dia nahita ny anjelin'Andriamanitra tao anaty lelafon'ny roimemy mirehitra. Avy amin'io roimemy tsy mety may io no nivoaka ny feon'Andriamanitra izay nanambara taminy ny asa tsy maintsy hataony. Naniraka azy Andriamanitra mba ho any amin'i Farao hanafaka ny vahoakany avy ao Egypta. Tamin'izany koa no nanambaràn'Andriamanitra ny anarany.
 
=== Ny fanafahana ny Hebreo avy ao Egypta ===
Nandeha tany amin'i Farao i Mosesy hanafahana ny Zanak'Israely avy ao Egypta sy hitondra azy ireo any amin'ny tany nampanantenaina azy dia ny tany Kanana. Nanampy azy ny rahalahiny Arona sady nanao fahagagana maro izy ka mba nihaino azy i Farao izay nangatahany mba hamela ny Zanak'Israely hankalaza ny Paska any an'efitra. Tsy nanaiky i Farao (Eks. 7. 8-13) sady vao mainka nanamafy ny fampahoriana tamin'ny Hebreo. Izany fandavana izany no niteraka ireo loza folo tao Egypta dia
# ny niovan'ny ranon'i Nily ho ra;
# ny sahona aro izay nameno ny tany;
# ny niovan'ny vovoka tamin'ny tany ho moka marobe;
# ny nidiran'ny lalitra tsy hita isa tao an-tanana;
# ny nisian'ny aretina nandringana ny biby fiompy;
# ny vay izay nahazo ny olona sy ny biby fiompy;
# ny havadra izay nandrava sy namono;
# ny valala izay nandrakotra ny tany;
# ny aizim-pito izay naharitra telo andro;
# ny nahafatesan'ny voalohan-teraky ny biby sy ny olona tao anatin'ny indray andro.
 
== Jereo koa ==
* Arona