Mosesy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vao foronina momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiforonan-teny
Andalana faha-1:
I '''Mosesy''' na '''Moizy''' dia ilay lehilahy nitondra ny [[Zanak'i Israely]] avy tany Egypta ho any amin'ny tany [[Kanana]] izay nampanantenain'Andriamanitra. Nitondra azy ireo namakivaky tany efitra izy ka tamin'izany no nivoahan'ny [[Didy Folo]] sy ny fototry ny Lalàna nifehy ny Zanak'i Israely. Niampita ny [[Ranomasina Mena]] koa izy sy ny vahoaka notarihiny. Tsy tafita tany amin'ny tany Kanana anefa i Mosesy.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''Mosesy'' izay hita ao ain'ny Baiboly protestanta amin'ny teny Malagasy dia fanagasiana ny teny latina ''Moses'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Μωσῆς'' / ''Môsês.'' Ny hoe ''Moizy'' dia fanagasiana ny teny frantsay hoe ''Moïse'' izay avy amin'ny teny latina hoe ''Moyses'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Mωϋσῆς'' / ''Mousês''. Na ny hoe ''Μωσῆς'' na ny hoe ''Mωϋσῆς'' dia avy amin'ny teny hebreo hoe ''מֹשֶׁה בן עמרם'' / ''Mosheh ben Amram'' ("Mosesy zanak'i Amram").
 
=== Fiforonan-teny araka ny Baiboly ===
Araka ny voalazan'ny Baiboly ao amin'ny Eksodosy (Eks. 2.10) dia nataon'ny reniny nanangana azy hoe ''Mosheh'' ny anaran'ilay zaza vao teraka satria novonjeny avy tao anaty rano (''MeShYTiHoW''). Ny dikan'ny hoe ''Mosesy'' araka ny Baiboly dia "nalaina tamin'ny rano". Avy ain'ny atoanteny hoe mashah izay idika hoe "maka", "misintona aty ivelany" na "mamoaka".
 
=== Fiforonan-teny araka ny fikarohana ankehitriny ===
Misy amin'ny mpikaroka ankehitriny ny mihevitra fa anarana egyptiana fa tsy hebreo ny hoe ''Mosheh''. Ny hoe ''Mosheh'' dia mety ho fanononana hebreo ny tapa-teny egyptiana hoe '''''mss''''' izay midika hoe "zanaka", "miteraka" sns. arakaraka ny fiovaovan'ny zanapeo (zanatsoratra) ampiarahina aminy. Izany dia hita amin'ireo anarana egyptiana maro toy ny hoe ''Dhwty-ms'' (Toutmosès) ("zanak'i Thot" na "naterak'i Thot"), ''Ra-mssw'' (Ramsès) ("zanak'i Râ" na "naterak'i Râ"). Mety midika hoe "zanaka" fotsiny izany ny anaran'i Mosesy.