Testamenta Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Sora-mandry
Andalana faha-1:
{{testamenta taloha}}
 
Atao hoe '''Testamenta taloha''' (Ἡ Παλαιὰ Διαθήκη ''Hē Palaià Diathḗkē'') ny soratry ny [[Baiboly]] talohan'i [[Jesoa Kristy]]. Ny [[Kristianina|Kristiana]] dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-12:
 
=== Ny boky dimin'i Mosesy ===
Ireo atao hoe "[[Boky dimin'i Mosesy]]", na Pentateoka (avy amin'ny teny grika ''pente'': "dimy" sy ''teukhos'': "horonana"), izay antsoina koa hoe Lalàna (Lalàn'i Mosesy), ataon'ny Jiosy hoe Torah, dia ny ''Genesisy'', ny ''Eksodosy'', ny ''Levitikosy'', ny ''Nomery'' ary ny ''Deoteronomia''.
 
=== Ny bokin-tantara ===
Ny bokin-tantara dia ''Josoa'', ''Mpitsara'', ''Rota'', ''Samoela'' ''voalohany'', sy''Samoela'' ''faharoa'', ''Mpanjaka'' ''voalohany'', sy''Mpanjaka'' ''faharoa'', ''Tantara'' ''voalohany'', sy''Tantara'' ''faharoa'', ''Ezra'', ary ''Nehemia''. Ny Baiboly katoklikakatolika dia ahitana boky fanampiny: ''Estera'', ''Tobia'', ''Jodita'' ary ''Makabeo'' voalohany sy faharoa izay ataon'ny Katolika hoe ''deoterokanonika'' (izany hoe "boky kanonika faharoa") nefa ataon'ny Protestanta hoe ''apokrifa'' ("miafina").
 
=== Ny bokim-pahamasinana ===
Ny bokim-pahamasinana, atao hoe koa Hagiografa, dia ''Joba'', ''Salamo'', ''Ohabolana'', ''Mpitoriteny'', ary ''Tononkiran'i Solomona''. Ny Baiboly Katolika dia mbola ahitana ny ''Fahendren'i Solomona'' sy ny ''Ekleziastika'' (na ''Sirasida'') izay boky deoterokanonika na apokrifa.
 
=== Ny bokin'ireo Mpaminany ===
Andalana faha-24:
 
==== Mpaminany lehibe ====
Efatra ny mpaminany lehibe, dia ''Isaia'', ''Jeremia'', ''Ezekiela'', ''Daniela'', manampy azy ireo ny bokin'ny ''Fitomaniana''. Atao hoe "mpaminany lehibe" izy noho izy nanoratra lava miohatra amin'ny sasany atao hoe mpaminany madinika. Ny Baiboly katolika dia ahitana ny ''Baroka'' izay boky deoterokanonika na apokrifa.
 
==== Mpaminany madinika ====
Roa ambin'ny folo ny mpaminany madinika, dia : ''Hosea'', ''Joela'', ''Amosa'', ''Obadia'', ''Jona'', ''Mika'', ''Nahoma'', ''Habakoka'', ''Zefania'', ''Hagay'', ''Zakaria'' ary ''Malakia''. Atao hoe "mpaminany kely" izy ireo noho izy nanoratra kely.
 
Ireo boky fanampiny ao amin'ny Baiboly Katolika no ataon'ny Katolika hoe Deoterokanonika ("kanona faharoa") na ny Protestanta hoe Apokrifa ("miafina"). Ireo boky ireo dia tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo sy Protestanta (amin'ny ankapobeny). Manampy azy ireo ny toko fanampiny amin'ny ''Estera'' sy ''Daniela''.
 
== Jereo koa ==