Kristianina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Natao sora-matevina ny hoe "Kristiana"
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fanitsiana tsipelina
Andalana faha-1:
Ny '''Kristiana''' na '''Kristianina''' dia olona iray izay manaraka ny fampianarana sy ny fomba araka ny voalazan'ireo Filazantsara na Evanjely, izay milazalaza momba ny fiainanan'i Jesoa Kristy sy ny fanarahana azy. Ho an'ny Fiangonana kristiana maro dia anisan'ny maha-kristiana ny finoana an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra.

Ny teny hoe "kristiana" na "kristianina" dia avy amin'ny teny grika hoe ''khristos'' ("kristy") izay fandikana ny teny hebreo hoe ''mashiah'' ("mesia") izay midika hoe "voahosotra", izany hoe "voahosotr'Andriamanitra".
 
Ny Kristiana dia manantena ny fanafahana vokatry ny fampianaran'i Jesoa Kristy, mino ny fahafatesany teny amin'ny hazo fijaliana (lakroa) sy ny fitsanganany avy amin'ny fahafatesana. Mino koa ny Kristiana fa Izy no Mesia nampanantenaina hatry ny elabe ao amin'ny Baiboly hebreo (ny Testamenta Taloha). Ny ankamaroan'ny Kristiana dia mino ny amin'ny Trinité, Andriamanitra Telo Izay Iray.