Filipina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
→‎Tantara : + politika
→‎Jeografia : +toekarena
Andalana faha-74:
Ny firenenan’i Filipina dia tamba-nosy iray miisa nosy 7 107 (1 000 amin’ireo no misy olona mipetraka) manana velarantany manontolo telo hetsy kilometatra toradroa. Valonjato kilometatra miala ny kaontinanta aziatika no misy an’i Filipina, eo anelanelan’ny Nosy Borneo ary Taiwan.
 
Noho ny fisian’i Filipina eo amin’ny [[Fehin’afon’ny Pasifika]], maro dia maro ireo afotroa mbola velona ao Filipina ary matetitetika ireo horohorontany.
 
 
== Toe-karena ==
 
Filipina dia firenena andalam-pandrosoana. Tamin'ny taona 1998, ny toekarena Filipina - izay manafangaro fambolena, ny indostria maivana ary ny tolotra fanohanana - dia niharatsy noho ny vokatry ny krizy ara-bola Aziatika sy ny haratsian'ny toetr'andro. Ny fitomboan'ny toekarena dia nitombo ho 0,6% tamin'ny taona 1998 avy amin'ny 5% tamin'ny taona 1997, saingy tafaverina hatramin'ny 3% tamin'ny taona 1999 ary 4% tamin'ny taona 2000. Tamin'ny taona 2012, dia 6,6%<ref>[http://www.imf.org/external/pubs/ft/weo/2013/01/weodata/weorept.aspx?sy=2011&ey=2018&scsm=1&ssd=1&sort=country&ds=.&br=1&c=566&s=NGDPD%2CNGDPDPC%2CPPPGDP%2CPPPPC&grp=0&a=&pr.x=80&pr.y=15 IMF, Report for Selected Countries and Subjects]</ref>
 
Nampanantena ny governemanta fa hanohy ny fanavaozana ara-toekarena hanampiana an'i Filipina hanaraka ny dingana fampandrosoana any amin'ireo firenena vao misondrotra any Azia atsimo atsinanana. Ny paikady dia manatsara ny fotodrafitrasa, manamboatra rafitra hetra ho fanampiana ny fidiram-bolan'ny governemanta, fanohanana ny fanilihana (fanesorana ny governemanta) ary ny fampindramam-bola ho an'ny toekarena, ary ny fitomboan'ny varotra ao amin'ny faritra. Ny hoavin'ny ho avy dia miankina tanteraka amin'ny fampiroboroboana ara-toekarena amin'ireo mpiara-miasa telo lehibe, [[Sina]], [[Etazonia]] ary [[Japana]].
 
== Jereo koa ==