Aogositra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Legobot (dinika | fandraisan'anjara)
k Bot: Migrating 1 interwiki links, now provided by Wikidata on d:q122 (translate me)
La description de l'année à été ciblée pour un pays.
Andalana faha-1:
{{Aogositra}}
'''Aogositra''' (avy amin'ny teny anglisy ''August'', avy amin'ny teny latina ''Augustus'') no volana fahavalo amin'ny herintaontsikataona iray, fa tao aloha dia ny volana fahenina tamin'ny herintaonan' ny [[Romana]], ary Sextilis no narany taloha. Taoriana dia novana ho Aogositra ny anarany. Ary ny anton'ny teny Aogositra dia izao : Raha maty [[Joliosy Kaisara]] ny zanak' anabaviny na rahalahiny nandimby azy, Oktaviosy no anarany. Manamboninahitra nalaza indrindra tamin'ny fomban'ny ady izy ; ary rehefa nanjaka izy, dia nataony ny anarany hoe [[Kaisara Aogostosy]] (''"malaza"'', hajaina, izany.) Ary rehefa izany indray, dia novany ny anaran' ny volana Sextilis hatao hoe Aogositra, toa fahatsiarovana any Kaisara Aogostosy.
 
Emperoran'ny Romana izy tamin'ny andro nahaterahany [[Jesoa Kristy]]. Fa tsy nanao soa loatra hany Kristy, tsy nanan ratsy taminy, Aogostosy. Fa nisy zavatra nataony izay nahagaga ny sasany. Nisy tempoly natao hoe tempolin'i Janus ; ary raha nisy ady tamin'ny Romana dia novohany ny varavarana rehetra tainin' izany tempoly izany, fa nivavaka tamin'ny sampy ny olona. Ary kosa, raha tsy nisy ady dia narindrina ny varavarany rehetra, fa angamba tsy nisy olona nahita azy mirindrina talohan'izany andro izany. Fa raha teraka Jesosy Kristy, Zanak' Andriamanitra, Tompon'ny Fiadanana, dia nandry tsara ny firenena rehetra amin' izao rehetra izao. Tsy nisy ady na tamin'y Romana aza, dia narindrin'i Kaisara Aogostosy ny varavarana rehetra tao amin'ny tempoly Janus, ary dia faly ny olona maro.