Kor'any: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Sary ny boky manan-kaja Kor'any.
k tsipelina
Andalana faha-1:
Ny boky manan-kaja Al Kor’any (القرآن‎‎) izay boky fototra manazava ny finoana Islam dia, mbola amin’ny Teny Arabo, tenindrazan’Ilay mpaminany nitondra azy. Ary mbola amin’ny Teny arabo hatramin’izao. Tsy nisy fiovana na dia, iray aza. Na ny fomba famakiana azy na ny fomba fanazavana azy na ny fomba fampiharana azy dia, mbola hita mazavatramazava tsara ary voatahiry avy amin’ny alalan’ny boky mirakitra ny tenin’Ilay mpaminany nitondra azy: Hadith Sahih. Al Kour’any, boky izay manana fomba famakiana azy miisa fito. Amin’ny feo manaitra sy lalim-paka ary na dia, tsy fantatrao azy ny zavatra teneniny dia, efa resilahatra sahady ianao aminy. Voasarika ny feo izay miditra sy mamakivaky ny fanahinao ary mandrotsaka ny ranomasonao amin’ny fomba mahagaga. Al Kor’any boky manan-kaja tsy misy toa azy. Ahitanao ny lafin’ny fiainana rehetra. Na ara-fiarahamonina izany na ara-pivavahana izany na ara-pitondrana izany na ara-piarovana izany dia, voalahadahatra ao anatiny. Al Kor’any boky izay tsy namela ny ambaratongan’olona rehetra. Na mpanakarena ianao na mahantra na fadiranovana na mpino islam ianao na mpino Kristianina ianao na mpino Jiosy ianao na tsy mpino an’Andriamanitra mihitsy dia, mbola namelany afatra sy anatra ary fampitandremana. Angamba ianao ho tontohitra. Al Kor’any boky izay manambara ny zavatra ho avy sy efa lasa. Boky izay manambarana ny zavatra iseho ao anatin’ny fasana sy ny zavatra iseho amin’ny andron’ny fitsarana. Al Kour’any boky izany manambarana ny tsiambaratelon’ny izao tontolo izao. Na ny fiandohany izany na ny fiafarany izany na fizotrany ankehitriny izany dia, tsy misy na dia, iray aza nafeniny.
<gallery>
Sary:Hungary pecs - jakovali2.jpg|Ny boky manan-kaja Al Korany