Kor'any: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « Ny boky manan-kaja Al Kor’any izay boky fototra manazava ny finoana Islam dia, mbola amin’ny Teny Arabo, tenindrazan’Ilay mpaminany nitondra azy. Ary mbola amin... »
 
Tohiny fanazavana.
Andalana faha-1:
Ny boky manan-kaja Al Kor’any (القرآن‎‎) izay boky fototra manazava ny finoana Islam dia, mbola amin’ny Teny Arabo, tenindrazan’Ilay mpaminany nitondra azy. Ary mbola amin’ny Teny arabo hatramin’izao. Tsy nisy fiovana na dia, iray aza. Na ny fomba famakiana azy na ny fomba fanazavana azy na ny fomba fampiharana azy dia, mbola hita mazavatra tsara ary voatahiry avy amin’ny alalan’ny boky mirakitra ny tenin’Ilay mpaminany nitondra azy: Hadith Sahih. Al Kour’any, boky izay manana fomba famakiana azy miisa fito. Amin’ny feo manaitra sy lalim-paka ary na dia, tsy fantatrao azy ny zavatra teneniny dia, efa resilahatra sahady ianao aminy. Voasarika ny feo izay miditra sy mamakivaky ny fanahinao ary mandrotsaka ny ranomasonao amin’ny fomba mahagaga. Al Kor’any boky manan-kaja tsy misy toa azy. Ahitanao ny lafin’ny fiainana rehetra. Na ara-fiarahamonina izany na ara-pivavahana izany na ara-pitondrana izany na ara-piarovana izany dia, voalahadahatra ao anatiny. Al Kor’any boky izay tsy namela ny ambaratongan’olona rehetra. Na mpanakarena ianao na mahantra na fadiranovana na mpino islam ianao na mpino Kristianina ianao na mpino Jiosy ianao na tsy mpino an’Andriamanitra mihitsy dia, mbola namelany afatra sy anatra ary fampitandremana. Angamba ianao ho tontohitra. Al Kor’any boky izay manambara ny zavatra ho avy sy efa lasa. Boky izay manambarana ny zavatra iseho ao anatin’ny fasana sy ny zavatra iseho amin’ny andron’ny fitsarana. Al Kour’any boky izany manambarana ny tsiambaratelon’ny izao tontolo izao. Na ny fiandohany izany na ny fiafarany izany na fizotrany ankehitriny izany dia, tsy misy na dia, iray aza nafeniny.
 
Taona 570 taorian’I ‘Issa ibn Maryiam (Jesosy Kristy): Terak’I Mpaminany Mohammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy)
 
Taona 610 taorian’I ‘Issa ibn Maryiam (Jesosy Kristy): Tonga tamin’I Mpaminany Mohammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy) ny Wahi (Révélation na Faminaniana) vaovao mahafaly ho an’olombelona rehetra sy fampitandremana azy ireo amin’ny sazy mamaivay miandry azy ireo raha toa ka mitsipak’izany izy ireo. Tonga ny Kour’any masina.
 
'''NB:'''
 
Voalohany, Jibril (Anjely gabrielle) nitondra Kour’any masina tamin’I Mpaminany Mohammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy) ary nampianatr’azy ny fomba FAMAKIANA AZY, ny fomba FANDAHARAN’AZY, ny fomba FITEHIRIZANA AZY ao an-tsaina sy ny fomba FANAZAVANA AZY.
 
Mpaminany Mouhammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy) nampianatra ny Kour’any tamin’ireo Sahaba (mpiaradia taminy) izay miisa mihoatran’ny 10 000 ny fomba FAMAKIANA AZY, ny fomba FANDAHARAN’AZY, ny fomba FITEHIRIZANA AZY ao an-tsaina sy ny fomba FANAZAVANA AZY.
 
Ohatra amin’ireo Sahaba nahay tsy anjery (Par Coeur) ny Kour’any iray manontolo  dia:
 
 1-`Abd Allah ibn Mas`ud, 2- Mu`adh ibn Jabal, 3-Hudhayfa ibn al-Yaman , 4-Ubay ibn Ka`b, Zayd ibn Thabit,……miisa zato (100) mahery.
 
Manaraka, nasain’ny mpaminany(Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy) nisoratana koa ny boky masina Kour’any. Ireo Sahaba (mpiaradia taminy). Ireo malaza tamin’ny fanoratana ny boky masina Kour’any dia:
 
1-Abou Bakr, 2-‘Omar ibn al khattab, 3- ‘outhman, 4-Ali ibn abi talib, 5-Ubay ibn Ka`b, 6-Mu`adh ibn Jabal, 7-Zayd ibn Thabit, 8- Abu Zayd, 9- Mou’awiya, 10-Sayid ibn al-walid sy maro hafa….(Référence: Sahih Boukhari sy Fath al bari nisoratan’I Ibn Hajr Asqalani  9/18)
 
Taona 632 taorian’I ‘Issa ibn Maryiam (Jesosy Kristy): Maty I Mpaminany Mouhammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy) ary namela ny boky masina Kour’any antsoratra sy am-pon’ireo mpiaradia taminy miisa 124 000 mihoatra. Rehefa mivava ireo Sahaba (mpiaradia) dia, nampianarin’ I Mpaminany Mouhammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy)  namaky ny ampahany ao amin’ny boky masina Kour’any.Tsy maintsy mamaky tapany amin’ny soratra hita ao amin’ny boky masina Kour’any ireo Sahaba sy ny mpino islam rehetra mandrak’ankehitriny.
 
Taona 634 taorian’I ‘Issa ibn Maryiam (Jesosy Kristy): Natambatra ho boky iray ireo takelaka rehetra nisoratana nandritran’ny fahaveloman’ I Mpaminany Mouhammad (Fandriampahalemana sy fitahian’I Ilay nahary anie ho azy). Navory daholo ireo Sahaba ary nomena an’I Zayd ibn thabit (ra) ny hitantana ny vondron’ireo Sahaba hanao an’izany.
 
Zayd ibn thabit (r.a) dia, Sahaba anisany nisafidian’ny mpaminany manokana ho mpanoratra ny Kour’any noho ny fahaizany mamaky, manao tsianjery, manoratra ary mitadidy zavatra. Ary mbola Zayd koa nasain’I Abou bakr (Radhiyallah 'anho) Khalifa (mpitondra voalohany taorian’ny mpaminany) hanangona ireo takelaka ary hanao izany ho boky mitambatra iray. Nanaika I Zayd miaraka amin’ireo Sahaba hafa izay samby mpanoratra ary mpahay tsianjery ny boky masina Kour’any nandritran’ny fahaveloman’ny mpaminany.
 
Taona 650 taorian’I ‘Issa ibn Maryiam (Jesosy Kristy): Nandritran’ny fitondran’I ‘Outhman (Radhiyallah 'anho) Khalifa faha telo dia, nasainy ity farany I Zayd ibn thabit mba hanao kopia maro maro ny Kour’any ary hanaparitak’izany amin’ny toerana maro satria efa tsy nitsahatra niparitaka ny finoana Islam. Ohatra: Nalefa tany Sham (Faritra Syrie), Iraq, Makka, Madina,…..