Rabemananjara Jacques: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Poizina (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Poizina (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-9:
Ny taona 1939 izy dia nalefa nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fankalazana ny [[Revolisiona Frantsay]] tany [[Paris]]y. Noho ny ady mbola nafana tamin'io fotoana io dia tsy afaka nody izy ary nijanona tany hatramin'ny taona 1946. Tafiditra niasa tamin'ny Ministeran'ny Zanatany izy, ary nahazo ny zom-pirenena frantsay. Afaka nanohy fianarana tao amin'ny [[Sorbonne]] koa izy ka nahazoany ny diplaoma ambony momba ny Soratra.Tamin'io fotoana io no nifankahalalany tamin'i [[Léopold Sédar Senghor]] sy [[Alioun Diop]].
 
Tamin'ny taona 1946 no nahalalany an'i Dokotera [[RASETA Joseph Delphin|Raseta]] sy [[RAVOAHANGY-ANDRIANAVALONA Joseph|Ravoahangy]] ary tamin'izany no nitsimoka ny fananganana ny antoko [[MDRM]] (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache) izay nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny tantaram-pirenena malagasy.