Wikipedia:Vaovao: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-10:
-->
-----------------
==== VAOVAO FARANY ====
Lozam-pifamoivozana
Omaly faha 29 Avril, teny amin’ny Digue sy tany Mahitsy Antananarivo : 12 no maty, 37 naratra mafy
 
Nanoloany izany, dia nitsidika tao amin’ny [[hopitaly]] HJRA ireo niharam-boina ny filoha ‪[[Hery ‎Rajaonarimampianina]]‬ halina, nankahery ireo naratra sy naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana namohy havana.
 
Baiko hentitra no nomeny ny tompon’andraikitra rehetra mba hanamafy ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipiky ny fifamoivozana, hampiatra tsy misy hindrafo ny famaizana amin’izay mihoa-pefy, ary hanaramaso akaiky ny fanomezana alàlana hamily fiara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.
 
Niantso ireo mpitatitra izy mba ho matihanina ny mpamily ampiasaina satria ain’olona no lalaovin’ireo manao kitohatoha amin’ny asany. Asiana sampan’ny Bianco koa, hoy, ny filoha, eny amin’ireo toby fitsirihana ara-teknika mba tsy ho nohon’ny kolikoly no ahazoana alàlana, kanefa hitera-doza satria tsy tomobana ny fiara.<ref>http://www.presidence.gov.mg/accidents-de-taxibe-application-stricte-des-lois-et-reglements/</ref>
 
==== VAOVAO EFA LASA ====
* Voatendry ny Praiministra vaovao
Nampahafantarin'ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika io takariva io teny amin'ny [[lapan'Iavoloha]], ny Didim-panjakana laharana faha-2016-250, izay nanendren’ny Filoham-pirenena an Atoa [[Mahafaly Solonandrasana Olivier|MAHAFALY Solonandrasana Olivier]] ho [[Praiministra]] sady Lehiben’ny [[Governemanta]].