Kolikoly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k robot Adding: bg, ca, cs, da, de, en, eo, es, et, fi, he, id, it, ja, ka, lt, ms, nl, nn, no, pl, pt, ru, sr, sv, uk, vi, zh
Alno (dinika | fandraisan'anjara)
k présentation
Andalana faha-1:
Ny '''kolikoly''', na tsolotra, na risoriso dia fifanarahana ratsy miseho eo amin'ny ankolafiny anankiroa, amin'ny alàlan'ny fanolorana fanomezana na vola tsy ara-dalàna ho tambin'ny asa na fanomezana tombondahiny anankiray tsy ara-dalàna ihany koa.

Azo sokajiana roa ny kolikoly dia ny kolikoly madinika, miseho amin'ny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany no sarany raha oharina amin'ny faharoa. Ny anankiray dia ny kolikoly vaventy izay mety hisy tambajotrany mihitsy, miseho eo amin'ny orinasa lehibe sy ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amin'izany. Samy manimba firenena avokoa rehefa endrika kolikoly, ary taona vitsy taorian'ny nandraisan'ny Filoha [[Marc Ravalomanana]] ny fitondrana, dia nanangana sehatra maro hiadiana amin'io kolikoly fanetriben'ny firenena io izy. Nitsangana teto Madagasikara ary ny [[CSLCC]] (Filankevitra ambony momba ny ady amin'ny kolikoly), dia nisy koa ny [[Bianco]] (Birao mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly) sy ny [[Famak]].
 
Ny [[Transparency International]] dia manome fanakilasiana ny firenena eran-tany momba ny vesatry ny kolikoly ao aminy. Na dia teo aza ny fitsanganan'ireo birao sy filankevitra ireo dia tsy nampihatsara ny laharan'i [[Madagasikara]] izany fa vao mainka aza nihemotra izy tamin'ny taona 2005.