Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-71:
Olona tia rà: Nahagaga tokoa fa tamin’ireo fanjakana fahavalony dia ny fo no nentin’Andrianampoinimerina nampanaiky azy ireny ka raha nanda izany ireo foko ireo dia notafihiny ka tsy navelany raha tsy resiny sy voababony. Fa ny amin’ireo vady amanjanany kosa dia tsy mba namindrany fo fa dia novonoiny tsisy antra na nataony sesitany lavareny raha noheveriny fa namadika azy.
 
Olona tia vehivavy: Nomen'Andrianampoinimerina lanja sy anjara manokana teo amin'ny fiainany ny vehivavy. Voalohany, ampolony maro ny vadiny ka misy ny tena tiany ary misy kosa vadim-panjakana ho fitandroana fahalemana. Tany amboalohany dia Rabodonimerina no vadibeny ary nampitoeriny tao Ambohimanga saingy tsy niteraka izy ireo. Nony niamboho i Rabodonimerina dia Rasendrasoa zanak'Andriamanitrirazaka taranak'Andriampolofantsy no lasa vadibeny ary nampitoeriny teo Ambohidrabiby. Faharoa,ny lapa Mahandrihono ao Ambohimanga izay misy azy dia ahitana sary nono eny akaikin'ny tapenaka izay tazan'ny masony raha mitsilany matory eo ampandriany izy. Fahatelo, nanana lanja manokana taminy ny anabaviny sy ny reniny ary ny renibeny ka noferany fa ny teradRangorinimerina renibeny sy ny tera-dRalesoka anabaviny ihany no mahazo manjaka mandimby azy. Ankoatr'izany, navahany manokana ny vehivavy mananotena izay nomeny alalana haka kitay amin'ny alany.Ary farany, nofaritany fa mitondra Radama I anefa an'ny vehivavy ny farany dia an'i Mavo izany izay nisalotra ny anarana Ranavalona izay nalaina avy amin'ny anarana Ranavalonandriambelomasina renin'Andrianampoinimerina.<gallery>
Fasan-dRasendrasoa_,_vadiben%27ny_Mpanjaka_Andrianampoinimerina,_ao_amin%27ny_Rovan%27_Ambohidrabiby.JPG
</gallery><gallery>