Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-38:
 
Raha tsiahivina dia talohan’ny taona 1787 (ary efa talohan’ny taona 1777) no efa mpanjakan’Ambohimanga Andrianampoinimerina ary teo ny renivohitry ny fanjakany nisy ny lapany natao hoe Mahandrinono. Tamin’izany, ny andriana 7 toko dia tsy mba nomeny zaratany teo Ambohimanga satria tsy noeken’ Ambohimanga izany, fa dia ireo terak’Ambohimanga (na andriana na hova na mainty) efa tompotany teo ihany sy ireo olona avy amin’ny lafy valo nampiakarin’Andrianampoinimerina taty Imerina (ireo mpanandro, mpisikidin’andriana, ombiasa) sy ny mpiambin’andriana ary ny vady amanjanak’Andrianampoinimerina no nonina teo Ambohimanga.
Ny taona 1787 ka hatramin’ny taona 1810 kosa no namoriany an’Imerina sy nampanekeny ireo fanjakana maro hafa ka ny rovan’Antananarivo no renivohitry ny fanjakany izay nisy ny lapany atao hoe “Mahitsielafanjaka”. Ireo tranokotona nitoeran’ny ankohonana sy fianakaviana akaiky an’Andrianampoinimerina no nanodidina ny lapa tao androvan’Antananarivo. Teroa ambany avaratry ny rova kosa, manodidina an’Andohalo dia nisy faritra nohodidininy hadivory ka fianakaviana notsongainy avy amin’Andriatompokoindrindra, Andriandranando, Andrianamboninolona, Andriamasinavalona, Andriandoriamanjaka, Raberanto ary Zazamarolahy no namponeniny tamin’izany faritra voadidina hadivory izany. Teo atsimon’ny rova kosa no nametrahany ny Voromahery mpiambina azy. Tsy noekeny hisy loholona hova sy mpanandro sy mpimasy nonina teo akaikin’ny rovan’Antananarivo. Fa ny sisa amin’ny andriana, hova ary mainty enindreny amin’imerina enitoko dia samy nomeny zaratany saingy ivelan’Andohalo sy tamin’ny faritra manodidina ny vohitr’Antananarivo azon’izy ireo honenana. Izany fizaratany izany no tsy itovizan’Antananarivo sy Ambohimanga.
<gallery>
Mahandrihono,_lapan%27ny_Mpanjaka_Andrianampoinimerina_ao_amin%27ny_Rovan%27_Ambohimanga.JPG
 
</gallery><gallery>
Mahitsielafanjaka,_lapan%27ny_Mpanjaka_Andrianampoinimerina_ao_amin%27ny_Rovan%27Antananarivo.JPG
</gallery>