Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-50:
Noho izy manana toe-tsaina mpitarika, tsy mifidy tany hiadiana, sahy manao dingana lehibe hoamin’ny fanovana, manana vinam-piarahamonina, hendry, mahalala ny pitsony amin’ny fanjakany, mikendry hatrany ny fampandrosoana ny fanjakany sy ny vahoakany ary miaro ny harempireneny sy ny vahoakany amin’ny hafetsen’ny vahiny dia nantsoin’ny vahoakany sy ireo fanjakana manodidina tamin’ny anarana “ Ny Ombalahibemaso” izy.
 
== NYNy TOETSAINYtoetsainy ==
 
Olon’ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisampirenena : “Ny ranomasina no valamparihiko”, izany no teny filamatra napetrany entiny nanehoany ny finonany fa foin’Andriananahary ho fanjakany ny Nosy iray manontolo. Na dia tsy tanteraka aza izany dia efa nanaiky azy ny ampahatelon’ny faritry Madagasikara ary natahoran'ny fanjakana maro sisa izy talohan'ny fodiamandriny. Ambonin’izany, navahan’Andrianampoinimerina tsara ny teraky ny Nosy sy ny vahiny (arabo, vazaha, sinoa, karana, afrikana).
Andalana faha-78:
</gallery>
 
== NYNy ZAVABITANYzavabitany ==
 
Tsisy nahavita izay vitan’Andrianampoinimerina tamin’ny mpanjaka rehetra teto Madagasikara talohany. Izy no nampanaiky ny fanjakana maro nanodidina an’Ambohimanga sy [[Imerina]]. Matsilo saina izy satria tsy mba nahita ranomasina izy satria nonina taty anivontany nefa dia fantany fa Nosy i Madagasikara ary tokony ho fanjakana tokana fa tsy mizarazara. Izy no Rain’ny fampivondronana ho fanjakana tokana an’i Madagasikara.
 
== NYNy NIAFARANYniafarany ==
 
Raha nitaratra tamin’ny loharano teroa [[Ankatso]] izy dia hitany fa efa atomotra ny fodiamandriny ka nanafatra izy fa eny Ambohimanga no hafenina izy noho io vohitra io iafenan'ireo lafinkavany akaiky azy.Fa ireo andriana miafina tamin'ny fitomiandalana teo androvan'Antananarivo dia misy razany ny sasany saingy lavitra kokoa. Tratra antitra Andrianampoinimerina ka ny taona 1810 izy no niamboho ary nafenina teo atsimon’Andriambelomasina raibeny ao androvan’Ambohimanga. Tato aoriana anefa, raha vao voazanaka i Madagasikara dia tsapan’ny mpitondra frantsay fa mbola maro ireo Malagasy nino ny hasin’ny razan’andriana koa nafindran’ny Frantsay ho ao androvan’Antananarivo ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Ny taona 2008, tamin’ny fitondran’Andriamatoa Marc Ravalomanana no tafaverina ao amin’ny rovan’Ambohimanga ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Niteraka resabe anefa izany famindrana izany satria tao ny tsy nankasitraka noho io famindrana io natao mangingina, raha niteraka fankasitrahana kosa hoan'ny hafa izay nihevitra fa voavaha ny famonjàna ara-tantara ny firenena malagasy nataon'ny mpanjanatany.