Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-13:
Momba ny fihodirany dia tsisy sary ahafahana mamantatra izany. “Ilahifotsy” anefa no niantsoan’[[Andriambelomasina]] raibeny azy. Midika izany fa fotsy fihodirana na mazava hoditra Andrianampoinimerina. Mbola ny hafan-draibeny manao hoe “Ilahifotsy avy amin’alahamaditany no tompon’ny farany” no nentiny nandresy lahatra ny vahoakan’Ambohimanga raha naka ny fanjakana tao Ambohimanga Andrianampoinimerina satria mantsy mitovy volonkoditra sy fiaviana amin’ny voalazan’Andriambelomasina izy (fa raha tsy fotsy izy no tsy avy amin’ny alahamaditany dia ho mpisandoka fotsiny ihany). Manarak’izany, Radama I zanaka naterak’Andrianampoinimerina dia olona fotsy fihodirana na mazava fihodirana, malama volo, maranitrorona fa tsy mangamanga sy ngita volo, no tsy manana endrika “afrikana”. Inoana arak’izany fa tsy mifanalavitra loatra amin’ny endriky Radama I Andrianampoinimerina rainy. Ary farany, nisy sary vita hosodoko momba an’Andrianampoinimerina, sary izay mampiseho fa olona fotsy na mazava fihodirana, maranitrorona ary lavalava endrika izy. Misy moa ny milaza fa tsy tena endrik’Andrianampoinimerina no hita amin’ilay hosidoko. Ny tsy azo lavina anefa dia hatramin’ny nahavitan’izany sary hosodoko izany dia maro ireo taranak’Andrianampoinimerina no nitazona dika mitovy amin’izany, eny hatrany anaty rovan’Antananarivo sy Ambohimanga ary amin’ny rova maro amin’ny vohitra 12. Midika izany fa saika noeken’ny maro ho manakaiky tanteraka ny endrik’Andrianampoinimerina iny sary hosodoko mahakasika azy iny.
 
== NYNy NITAZAINAnitazaina AZYazy ==
 
Kamboty reny fahazaza Andrianampoinimerina ka teo anilandrainy tany Anjozorobe izy no nitoetra. Tsy zanaky ny vadiben’Andriamiharamanjaka moa izy no tsy mba nisy reny hiantahantana ka tamin’ny fahazazany dia efa nahakarakara tena sy nahay nitady vola ary nampiasa ny heritsandriny. Ny manarakandro, ny miasa tany, ny kilalaontsaina, ny tafasiry amin’ny antitra, ny mikarakara ireo zandriny iray tampo aminy, ny mitsidika ireo vohitra manantantara ary ny mihaino kabary andapa no nandaniany ny antokonandrony fa tsy mba liana tamin’ny fanaon’ireo zaza sy tanora mitovy taona aminy izy.