Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-7:
Manodidina ny taona 1720 – 1730 ny taona nahaterahan’Andrianampoinimerina satria Mayeur, frantsay nivahiny tao amin’ny fanjakan’Andratsay ny taona 1777, dia nirakitra tamin’ny diariny ny filazan’ny olona nohadihadiany fa Andrianampoinimerina mpanjakan’Ambohimanga dia antidahy. Raha apetraka ary fa efa antidahy Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777 nanoratan’i Mayeur dia efa mahatratra 50 taona farafahakeliny i Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777. Vava Alahamady amin’ny volana Alahamady kosa no voalazan’ny lovantsofina fa andro nahaterahany.
 
== NYNy ENDRINYendriny SYsy NYny TOEBATANYtoebatany ==
[[Sary:Andrianampoinimerina.jpg|Hosodokon'Andrianampoinimerina|220px|right|thumb]]
Tsy azo sary Andrianampoinimerina satria norarany tsy hiakatra an’Imerina ny vahiny. Anefa, ny lovantsofina dia mitazona fa lehilahy fohy fa tsy lava i Andrianampoinimerina. Araka ny filazan’ireo mpitazona tantara momba ny fandrian’Andrianampoinimerina ao amin’ny lapany atao hoe “Mahandrihono” ao amin’ny rovan’Ambohimanga dia sahabo ho 1,45 cm ny halavan’Andrianampoinimerina. Ary farany, Mayeur dia nanoratra tamin’ny taona 1777 tao amin’ny diariny fa araka ny notanterina taminy dia fohy Andrianampoinimerina mpanjakan’Ambohimanga.