Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
→‎NY TOETSAINY : sary rovan'Ambohidratrimo
Andalana faha-1:
== Ny Nahaterahan’Andrianampoinimerina ==
== NY NAHATERAHAN’ANDRIANAMPOINIMERINA ==
 
Raha tsiahivina, dia fanjakana iray tsy mivaky Imerina hatramin’ny mpanjaka [[Ralambo]] (1575-1610) ka hatramin’ny mpanjaka Andriamasinavalona. Nozarain’Andriamasinavalona tamin’ny zanany efa-dahy ny faritry ny fanjakany ka nisy fanjakana 4 teto Imerina dia teo [[Antananarivo]], [[Ambohidrabiby]], [[Ambohimanga]] ary [[Ambohidratrimo]] izay samy nanana ny renivohiny avy. Nifandrafy ireo fanjakana merina 4 ireo ka voatelin’ny fanjakan’Ambohimanga ny an’Ambohidrabiby ka telo sisa dia ny fanjakan’Ambohimanga, ny fanjakan’Imerinatsimo (nanana an’Antananarivo ho renivohiny) ary ny fanjakan’Ambohidratrimo. Ireo fanjakana merina ireo nohodidinin’ireo fanjakana tsy merina dia ny fanjakan’[[Anjozorobe]] tao avaratra sy avaratra antsinanana, ny fanjakan’Andratsay tao atsimo, ireo fanjakan’ny bezanozano tao atsinanana, ny fanjakan’Imamo tao andrefana atsimo ary ny fanjakan’Vonizongo tao andrefana avaratra. Na dia niadiady aza ireo fanjakana merina 3 ireo dia tsy nisaramianakavy fa nifanambady ny ankohonan’ireo mpanjaka tao amin’izy ireo mba hitazomana ny hasindrazana sy ny fihavanana.