Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Legobot (dinika | fandraisan'anjara)
k Bot: Migrating 14 interwiki links, now provided by Wikidata on d:q218622 (translate me)
sary fanampiny
Andalana faha-36:
 
Raha tsiahivina dia talohan’ny taona 1787 (ary efa talohan’ny taona 1777) no efa mpanjakan’Ambohimanga Andrianampoinimerina ary teo ny renivohitry ny fanjakany nisy ny lapany natao hoe Mahandrinono. Tamin’izany, ny andriana 7 toko dia tsy mba nomeny zaratany teo Ambohimanga satria tsy noeken’ Ambohimanga izany, fa dia ireo terak’Ambohimanga (na andriana na hova na mainty) efa tompotany teo ihany sy ireo olona avy amin’ny lafy valo nampiakarin’Andrianampoinimerina taty Imerina (ireo mpanandro, mpisikidin’andriana, ombiasa) sy ny mpiambin’andriana ary ny vady amanjanak’Andrianampoinimerina no nonina teo Ambohimanga.
Ny taona 1787 ka hatramin’ny taona 1810 kosa no namoriany an’Imerina sy nampanekeny ireo fanjakana maro hafa ka ny rovan’Antananarivo no renivohitry ny fanjakany izay nisy ny lapany atao hoe “Mahitsielafanjaka”. Ireo tranokotona nitoeran’ny ankohonana sy fianakaviana akaiky an’Andrianampoinimerina no nanodidina ny lapa tao androvan’Antananarivo. Teroa ambany avaratry ny rova kosa, manodidina an’Andohalo dia nisy faritra nohodidininy hadivory ka fianakaviana notsongainy avy amin’Andriatompokoindrindra, Andriandranando, Andrianamboninolona, Andriamasinavalona, Andriandoriamanjaka, Raberanto ary Zazamarolahy no namponeniny tamin’izany faritra voadidina hadivory izany. Teo atsimon’ny rova kosa no nametrahany ny Voromahery mpiambina azy. Tsy noekeny hisy loholona hova sy mpanandro sy mpimasy nonina teo akaikin’ny rovan’Antananarivo. Fa ny sisa amin’ny andriana, hova ary mainty enindreny amin’imerina enitoko dia samy nomeny zaratany saingy ivelan’Andohalo sy tamin’ny faritra manodidina ny vohitr’Antananarivo azon’izy ireo honenana. Izany fizaratany izany no tsy itovizan’Antananarivo sy Ambohimanga.<gallery>
Mahandrihono,_lapan%27ny_Mpanjaka_Andrianampoinimerina_ao_amin%27ny_Rovan%27_Ambohimanga.JPG
</gallery><gallery>
Mahitsielafanjaka,_lapan%27ny_Mpanjaka_Andrianampoinimerina_ao_amin%27ny_Rovan%27Antananarivo.JPG
</gallery>
 
== NY ANARANA NISALORANY ==
Ligne 64 ⟶ 68 :
Olona tia rà: Nahagaga tokoa fa tamin’ireo fanjakana fahavalony dia ny fo no nentin’Andrianampoinimerina nampanaiky azy ireny ka raha nanda izany ireo foko ireo dia notafihiny ka tsy navelany raha tsy resiny sy voababony. Fa ny amin’ireo vady amanjanany kosa dia tsy mba namindrany fo fa dia novonoiny tsisy antra na nataony sesitany lavareny raha noheveriny fa namadika azy.
 
Olona tia vehivavy: Nomen'Andrianampoinimerina lanja sy anjara manokana teo amin'ny fiainany ny vehivavy. Voalohany, ampolony maro ny vadiny ka misy ny tena tiany ary misy kosa vadim-panjakana ho fitandroana fahalemana. Faharoa,ny lapa Mahandrihono ao Ambohimanga izay misy azy dia ahitana sary nono eny akaikin'ny tapenaka izay tazan'ny masony raha mitsilany matory eo ampandriany izy. Fahatelo, nanana lanja manokana taminy ny anabaviny sy ny reniny ary ny renibeny ka noferany fa ny teradRangorinimerina renibeny sy ny tera-dRalesoka anabaviny ihany no mahazo manjaka mandimby azy. Ankoatr'izany, navahany manokana ny vehivavy mananotena izay nomeny alalana haka kitay amin'ny alany.Ary farany, nofaritany fa mitondra Radama I anefa an'ny vehivavy ny farany dia an'i Mavo izany izay nisalotra ny anarana Ranavalona izay nalaina avy amin'ny anarana Ranavalonandriambelomasina renin'Andrianampoinimerina.<gallery>
Fasan%27i_Rabodozafimanjaka_vadin%27Andrianampoinimerina_ao_amin%27ny_Rovan%27Antsahadinta.JPG
</gallery>
 
== NY ZAVABITANY ==