Demôkrasia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « A '''demokrasia''' (teny avy amin'ny fiteny grika, izay midika hoe fanjakan'ny vahoaka) dia karazana fitondram-panjakana iray. Ny demokrasia dia rafitra izay ahit... »
 
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
 
Ny [[antoko politika]] dia ampahany manan-danja ny demokrasian-tsolontena. Anisan'ny mpikambana ao amina antoko poitika iray ny mpanao politika, fikambanana iombonan'ny mpanao politika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao. Noho izany, eo amin'ny fifidianana, ny olona dia tsy hifidy fotsiny ny olona iray, fa ho an'ny antoko politika iray. Mandalo matetika amin'ny fanamafisana demokratika ny fanjakana iray mba hampaharin-toerana ny demokrasia.
 
== Karazana demôkrasia ==
Maro ireo karazana demôkrasia mety misy, fa misy endrika fotony roa. Ireo endrika roa ireo dia mikasika ny fomba fanatanterahan'ny sitrapon'ny olom-pirenena rehetra. Ny ''[[demôkrasia mivantana]]'' dia demôkrasia andraisan'ny olom-pirenena rehetra anjara amin'ny fanapahan-kevitra politika. Amin'ny demôkrasia maoderina dia omena an'olona vitsy ny fahefana. Ny rafitra mitovitony izay manatsonika ampahan-demôkrasia amin'ny lalàna sharià dia antsoina hoe «islamôkrasia».
 
== Tondro ==
Tsy misy fomba famaritana demôkrasia iaraha-manaiky, fa ny tondro tena ilaina dia ny fitoviana ara-jo, fahafahana ara-politika ary ny fanjakan-dalàna. Ireo fototra ireo dia hita taratra amin'ny hoe «samy mitovy zo eo imason-dalàna ny olom-pirenea rehetra». Ao amin'ny demôkrasia entin-tsolontena dia mitovy lanja avokoa ny vato latsaka, ary tsy misy famerana diso tafahoatra amin'ny olona izay tia ho solontena, ary koa ny fahafahan'ny olom-pirenena manana zo ary fahafahana arovan'ny lalàm-panorenana.
 
Ny fanjakan'ny ampaha lehibe indrindra ihany koa no lazaina fa anisan'ny tondron'ny demôkrasia. Noho izany, dia mamela ireo antoko politika kely ho voagejan'ny «antoko politika lehibe», rehefa tsy misy ny fiarovana ara-jon'ny olon-tokana na fikambanan'olona.
 
== Jereo koa ==