Aterineto: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Aterineto''' dia vondron-tsolosaina afaka mifandray ary mifanakalo fampahalalana. Ny Aterineto dia ampiasaina amin'ny fandefasana fampahalalana hainga amin'ny solosaina erak'izao tontolo izao. Ao amin'ny Aterineto dia ahitana tranonkalan'olon-tsotra, manam-pahaizana, mpivarotra sy ny manao bizinesy ary ny governemanta izay mitatitra karazana fampahalalana maro samihafa ary koa servisy. Ny Aterineto noho izany dia tambajo-tambajotra.
 
== Tantara ==
Andalana faha-18:
 
=== Mpampiasa ===
[[Sary:InternetUsersByLanguagePieChart.svg|Mampiasa an'i Aterineto araka ny teny ampiasainy|240px|right]]
[[Sary:WebsitesByLanguagePieChart.svg|vignette|fiteny fampiasan'ny tranonkala|240px]]
Mitombo be mihitsy ny fampiasana an'i Aterineto. Tamin'ny taona 2000 hatramin'ny taona 2009 dia nitombo avy amin'ny isa 394 tapitrisa hatramin'ny 1,86 miliara ny isan'ny mpampisa Aterinet. Tamin'ny taona 2010, dia 22%n'ny mponin'izao tontolo izao no nampiasa solsaina ary 1 miliara no isan'ny karoka atao amin'ny alalan'i Google isan'andro, 300 tapitrisa no mamaky blaogy ary 2 miliara no isan'ny lahatssary hita eo amin'i Youtube isan'andro. Tamin'ny taona 2014 dia nihoatra telo miliara no isan'ny mpampiasa Aterineto na 43,6%n'ny mponina fa avy amin'ny firenena manan-karena ny roa ampahatelon'izy ireo: 78% avy ao Eoropa ary 57,4% ao Amerika.
 
Ny teny ifandraisana eo amin'ny Aterineto dia ny teny anglisy. Izy io dia mety ho vokatry ny fiandohan'ny Aterineto ary koa ny fampiasana ilay fiteny ho ''lingua franca'' (teny iombonana). Ny solosaina tany am-piandohany dia tsy afaka naneho soratra afatsy ny soratra tao amin'ny ASCII ihany.
 
Aorian'ny teny anglisy (fiteny fampiasan'ny 27%n'ny mpampiasa Aterineto), ny fiteny tadiavina indrindra ao amin'ny Aterineto dia ny fiteny sinoa (25%), espaniôla (8%), Japoney (5%) Portogey ary Alemà (samy 4%) Arabo, Frantsay ary Rosiana (samy 3%) ary koreana (2%). Niitatra tamin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia maoderina toa ny Unicode ny fisokafan'i Aterineto amin'ny teny vahiny. Na dia izany aza, dia mbola misy foana ireo atao hoe ''mojibake'' (tsi-fisehoan'ny soratra amin'ny tenim-pirenena sasany).
 
 
=== Fampiasana ===
{{...}}
Ny Aterineto dia ahafahana miasa amin'ny fomba malalaka kokoa. Azo takarina avy aiza na aiza ny Aterineto, na avy amin'ny finday, na rotera finday izay ahafahan'ny mpampiasa mampiasa Aterineto tsy mila tariby.
 
=== Zava mampidi-doza ===