Merina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-7:
Ny merina dia foko izay miavy avy any asia atsimo atsinanana. Izany hoe raha faritana mazava dia avy any [[Indonezia]]. Tamin'ny taon-jato faha valo ka hatramin'ny taon-jato faha-dimy ambin'ny folo tany dia voalazan`ny tantara fa nisy tatsam-bo izay avy any Indonezia tonga nanori-ponenana tao [[Madagasikara]].
 
Ny merina moa dia foko izay miray sosona amin'ny foko Malay (''malais''). Ny tiana ambara amin'izany foko Malay izany dia ny hoe fitoviam-pokon'ireny merina amin'ny mponina ao [[Malaysie]], Indonezia, [[Filipina]], [[Polynezia]], ary ny [[faritra]] atsimon'i [[Tailanda]]. Ny endrika hananan'ny Merina koa dia manamarina izany fiaviany avy any Asia izany. Eo koa anefa ireo fomba amam-panao izay tena hitovizan'ny Merina amin'ireo razam-beny avy any Indonezia; ohatra amin'izany ny "[[Famadihana]]" izay fomban'ireo Indoneziana avy any amin'ny faritr'i [[Sulawesi]] ao Indonezia. Ary ny fisian'ny vary eto Madagasikara dia anisan'ny porifo lehibe tokoa fa manana razam-be aziatika ny Merina, satria ny vary dia foto-tsakafon'ny Indoneziana ary koa ny Merina ao Madagasikara.
 
==Ny teny malagasy sy ny merina==