Aostralia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-65:
Tonga taeo amin'ny amorontsiraka avaratra andrefan'i Hôlandy Vaovao tamin'ny 1668 ary tamin'ny taona 1669 i [[Zanatanin'i Renirano Swan|William Dampier]] izay mpitety tany anglisy. Tamin'ny 1770, nitety ny amorontsiraka atsinanana i James Cook ary nanao ny sarintan'ny amorontsirak'izay fantatra ankehitriny amin'ny anarana Valesa Atsimo Vaovao (anglisy : ''New South Wales'') ary nitaky azy ho an'i Britaina Lehibe. Nohon'ny fahaverezana ny zanatany amerikanina tamin'ny taona 1780, nandefa flôtin-tsambo ny governemanta britanika hametrahana zanatany atao fonja ao Valesa Atsimo Vaovao. Ny flôty voalohany izay entin'ny kapiteny Arthur Phillip no nirahana nanao izany. Nipetraka ny lasitra ary natsangana tao [[Zanatanin'i Renirano Swan|Sydney Cove]], [[Zanatanin'i Renirano Swan|Port Jackson]] tamin'ny 26 Janoary 1788, daty izay atao ho fetim-pirenena aostrialianina, na dia tsy nambara raha tsy tamin'ny 7 Febroary 1788 aza ny sata maha-zanatany an'i Aostralia. Nahatonga ny fananganana an'i Sydney izay toerana hambolena, hanaovana ny varotra ary ny indostria ilay fonenana voalohany.
 
Tamin'ny 1803 no nametrahana fonenana britanika tao Van Diemen's Land, izay fantatra amin'ny anarana [[Tasmania]] amin'izao fotoana izao. Lasa zanatany britanika manokana ilay tany tamin'ny 1825. Nitaky ny faritra andrefan'i Aostralia andrefana ([[Zanatanin'i Renirano Swan]]) ny Britanika tamin'ny 1828. Zanatany hafa no natsangana avy amin'ny Valesa Atsimo Vaovao : [[Tasmania|Aostralia Atsimo]] tamin'ny 1836, [[Tasmania|Victoria]] tamin'ny 1851, ary [[Tasmania|Queensland]] tamin'ny 1859. Nosoronina tamin'ny 1911 ny [[Tasmania|Tany Avaratra]] rehefa nesorina tamin'i Aostralia atsimo. Noforonina ho "faritany malalaka" i Aostalia Atsimo - izany hoe tsy zanatany natao ho fonja. Noforonina tsy natao ho fonja ihany i Victoria ary Aostralia Atsimo, fa manaiky ny mitatitra ny voaheloka. Tolona nentin'ny mpanjanatany no nahafarana ny fitaterana ny olona voaheloka ao amin'ny zanatanin'i Victoria, ka tamin'ny 1848 ny sambo feno olona voaheloka farany tonga tao.
 
== Politika ==