Aostralia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Sodacan (dinika | fandraisan'anjara)
More accurate vector version (GlobalReplace v0.3)
Andalana faha-59:
Efa ho 50 000 taona lasa izay ny olombelona no nipetraka tany Aostrala. Ireo mponina voalohany nipetraka tao Aostralia ireo, izay antsoina ihany koa hoe Aborijinina, dia tonga tao Aostralia avy tany Indonezia tamin'ny fampitana ny tanjona maro vokatry ny fitambaran'ny nosin'i Ginea Vao, i Aostralia ary i Ginea Vao.
 
=== Fahafaran'ny Eorôpeana azy voalohany ===
Tamin'ny taona 1606 ny eoropeanina no tonga voalohany tao Aostralia.
{{...}}
I [[Willem Janszoon]] no lazaina fa eoropeana voalohany indrindra nahita an'i Aostralia tany amin'ny voalohandohan'ny taona 1606. Tong ary nametraka tongotra teo amin'i [[Renirano Pennefather]] eo akaikion'i tanànan'i [[Weipa]] eo amin'i [[Tanjona York]] izy. Nofaritiny avy hatrany ny amorintsiraka andrefana ary ny amorontsiraka avaratra ary Hôlandy Vaovao no anarana nomeny an'ilay tany vao hitany tamin'ny taonjato faha 17, kanefa izy dia tsy nitondra mponina hapetraka eo amin'ilay tany hozanahana.
 
Tonga taeo amin'ny amorontsiraka avaratra andrefan'i Hôlandy Vaovao tamin'ny 1668 ary tamin'ny taona 1669 i William Dampier izay mpitety tany anglisy. Tamin'ny 1770, nitety ny amorontsiraka atsinanana i James Cook ary nanao ny sarintan'ny amorontsirak'izay fantatra ankehitriny amin'ny anarana Valesa Atsimo Vaovao (anglisy : ''New South Wales'') ary nitaky azy ho an'i Britaina Lehibe. Nohon'ny fahaverezanan ny zanatany amerikanina tamin'ny taona 1780, nandefa flôtin-tsambo ny governemanta britanika hametrahana zanatany atao fonja ao Valesa Atsimo Vaovao. Ny flôty voalohany izay entin'ny kapteny Arthur Phillip no nirahana nanao izany. Nipetraka ny lasitra ary natsangana tao Sydney Cove, Port Jackson tamin'ny 26 Janoary 1788, daty izay atao ho fetim-pirenena aostrialianina, na dia tsy nambara raha tsy tamin'ny 7 Febroary 1788 aza ny sata maha-zanatany an'i Aostralia. Nahatonga ny fananganana an'i Sydney izay toerana hambolena, hanaovana ny varotra ary ny indostria ilay fonenana voalohany.
 
Tamin'ny 1803 no nametrahana fonenana britanika tao Van Diemen's Land, izay fantatra amin'ny anarana Tasmania amin'izao fotoana izao. Lasa zanatany britanika manokana ilay tany tamin'ny 1825. Nitaky ny faritra andrefan'i Aostralia andrefana (Zanatanin'i Renirano Swan) ny Britanika tamin'ny 1828. Zanatany hafa no natsangana avy amin'ny Valesa Atsimo Vaovao : Aostralia Atsimo tamin'ny 1836, victoria taminMny 1851, ary Queenslan tamin'ny 1859. Nosoronina tamin'ny 1911 ny Tany Avaratra rehefa nesorina tamin'i Aostralia atsimo. Noforonina ho "faritany malalaka" i Aostalia Atsimo - izany hoe tsy zanatany natao ho fonja. Noforonina tsy natao ho fonja ihany i Victoria ary Aostralia Atsimo, fa manaiky ny mitatitra ny voaheloka. Tolona nentin'ny mpanjanatany no nahafarana ny fitaterana ny olona voaheloka ao amin'ny zanatanin'i Victoria, ka tamin'ny 1848 ny sambo feno olona voaheloka farany tonga tao.
 
== Politika ==